• Cours de change
  • 5202.44 AR
  • |
  • $4507.52 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Kolonely Randrianirina Michaël tany Dubaï : nihaona tamina printsy miisa roa sy printsesy iray

16/12/2025 06:49 © Moov.Mg

Nanamafy ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Randrianirina Michaël, omaly, fa ny fikatsahana izay mahasoa an'i Madagasikara no antony nandehanany tany Dubaï. Natao mangingina izany diany izany, satria misy mifofo ny ainy, araka ny nambarany.

Misy mifofo ny ain’ny filoha

Nitondra fanazavana momba ny dia nataony tany Dubaï, izay niteraka honohono sy resaka maro isan-karazany, ny filoham-panjakana Randrianirina Michaël, omaly 15 desambra 2025, teny amin'ny Lapam-pajakana Iavoloha. "Ho fiarovana ny aiko, izay fantatra fa misy mifofo", hoy izy, no anton'ireny fandehanana mangina ireny. Nanamafy izy, fa tsy izy irery no filoham-panjakana mandeha tsy an-kiteniteny, tahaka ireny nataony ireny. Nalainy ho ohatra tamin'izany ny filoha amerikanina Donald Trump sy ny Filoha frantsay Emmanuel Macron, izay tsy voatery mampilaza ary tsy hitan'ny mpanao gazety raha tsy tonga any amin'ilay toerana alehany. Mbola notsindrian'ny filoham-panjakana, fa tanjon'iny dia nataony tany Dubaï iny ny fikatsahana izay hahasoa ny vahoaka malagasy. Maromaro ireo olona nihaona taminy, nandritra ny fotoana fohy nivahinianany tany an-toerana, ka isan'izany ny printsy mpandova (prince héritier) miisa roa sy ny printsesy (princesse) iray ary nisy mpampiasa vola ihany koa.

Fiaraha-miasa amin’i Dubaï

Niisa 4 lehibe ireo teboka nifampidinihan'ny kolonely Randrianirina Michaël tamin'izy ireo, araka ny fanazavany hatrany. Voalohany tamin'izany ny momba ny mety ho fiaraha-miasa amin’ny fametrahana rindrambaiko (logiciel) hahafahana manara-maso ny hetsiky ny vola eo anivon'ny fadintseranana, ny seranan-tsambo ary seranam-piaramanidina. Teo ihany koa ny momba ny fampiasana ny teknôlôjia vaovao, izay hahafahana mampiasa ny angovo avy amin'ny rivotra mba hamokarana rano fisotro madio. Teboka fahatelo ny momba ny fifampiraharana, hahafahana mandefa tanora miisa dimy arivo hiasa any Dubaï. Ary farany dia nifampiresahana ihany koa ny momba ny fananganana bankin'ny harena an-kibon'ny tany (banque minérale) sy orinasa fanodinana volamena (raffinerie or), mba hahafahana manara-maso bebe kokoa ny fivoakan'ny volamena avy eto Madagasikara mannkany Dubaï.

Ankoatra izay dia nanatsidika ny momba ny fisian'ireo fitaovam-piadiana mahery vaika izay tafiditra eto Madagasikara ny filoham-panjakana Randrianirina Michaël. Namafisiny fa tena misy izany ary efa talohan'ny nandraisany ny fitantanana ny firenena no efa tafiditra teto ireo fitaovana ireo. Izany no antony tsy maintsy nirosoana tamin'ny fisavana trano, araka ny nambarany. Notsindriany fa misy mikasa hamboly korontana sy hampiady ny samy sivily eto Madagasikara, ka isan'ny anaovan'ny Fitondram-panjakana ady manokana ny momba izany.

Lire la suite

Articles Similaires