• Cours de change
  • 5190.88 AR
  • |
  • $4500.49 AR
Copyright Image : © Indrana
Image
Vaovao

Train Urbain : Rahampitso talata 16 desambra no hitatitra voalohany

15/12/2025 09:47 © Moov

Tontosa ny maraina teo ny fanokafana ny "Train Urbain" mampitohy an'i Soarano (PK0) sy Ambohimanambola (PK16). Rahampitso maraina kosa nefa vao hanomboka ny fitaterana ho an'ny daholobe.

Tsy misy mampanahy ny andrana ara-teknika notanterahin'ny ekipan'ny Ministeran'ny Fitaterana ny faraparan'ny herinandro lasa teo. Fahombiazana ihany koa ny dia ny maraina teo. Araky ny fanamby izay napetraky ny Ministry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Juste Crescent RAHARISONE, dia misokatra amin'ny fomba ofisialy anio Alatsinainy faha-15 Desambra, ny Fitaterana an-dalamby eto Andrenivohitr'Antananarivo.

Fitaterana sahaza ny rehetra

Indroa ny dia mandroso sy miverina amin'izao fanombohana izao. Ny maraina, amin'ny 5 ora no fiaingana eny Soarano PKO, ary amin'ny 5 ora sy sasany ny hariva (raha tsy misy fiovana). Hitsinjovana ireo mpiasa moa no tena anton'izany ora izany, ny alatsinainy hatramin'ny sabotsy. Marihana fa 3 000 ariary ny saran-dalana, ary misy fiantsonana fito eny an-dalana. Manala sy mandray olona eny an-dalana araka izany ny lamasinina : Ampefiloha, Soanierana, Anosibe, Mandroseza, Mahazoarivo, Ambohipo ary Amoronakona.
-Maraina amin'ny 5ora : Soarano # AmbohimanambolaSoarano
-Hariva amin'ny 5 ora sy sasany : Soarano # AmbohimanambolaSoarano

Fanatsarana ny fitateram-bahoaka

Tafiditra ao anatin'ny fanatsarana ny fitateram-bahoaka izao fanokafana ny fitaterana an-dalamby eto an-drenivohitra izao. Na dia somary mitombo aza ny vola laniana amin'ny saran-dalana, tombony lehibe ny fihenan'ny fotoana lany noho ny fitohanana, indrindra amin'izao ankatoky ny fety izao.
Tsara ny manamarika fa mahazaka olona 300 ny lamasinina, sady afaka mitondra entana ireo mpandeha. 16 kilometatra no manasaraka an'i Soarano sy Ambohimanambola, ka maharitra 45 minitra eo ho eo ny dia. Mikasa ny hanampy lamasinina iray fanampiny moa ny fitondram-panjakana atsy ho atsy.

Lire la suite

Articles Similaires