Fanondranana letisia : Sambo miisa telo no nitondra ny vokatra nankany ivelany
Tapitra omaly ny « campagne » fanondranana letisia tamin’ity taona 2025 ity, miainga avy ao Toamasina. Sambo lehibe miisa telo no nalefa tamin’izany ary ny Société Malagasy de Manutention des Marchandises Conventionnelles (SMMC) no miandraikitra izany.
Fahombiazana raha oharina tamin’ny taon-dasa
Niainga omaly teo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo CS TRUST izay sambo fahatelo nitondra letisia 5 291 taonina. Tapitra tamin’iny araka izany, ny fanondranana letisia ho amin’ity taona 2025 ity, raha ny fanazavana. Nanazava ny avy ao amin’ny SMMC fa fahombiazana ity « campagne » ity. « Tsy nisy ny simba sy ny loza tamin’ny fikirakirana ireo vokatra aondrana ireo, tato aminay. Niara-niasa sy nampiseho ny fahaiza-manaony avokoa ireo mpiara-miasa rehetra tamin’izany », hoy i Lucas Rasamimanana, tompon’andraikitra eo anivon’ny SMMC. Raha ny fanazavana dia niasa andro aman’alina ny orinasa SMMC, nandritra ny fikirakirana sy ny fampidirana ireo letisia rehetra tao anatin’ireo sambo rehetra. Raha ny fanazavana hatrany dia natao hamonjena ny fetin’ny faran’ny taona any Eoropa ity sambo ity ary mandritra izany no hivarotana ireo letisia tsara kalitao avy aty Madagasikara ireo.
Sambo miisa 2 efa lasa mialoha
Raha tsiahivina dia ny 20 novambra teo no nisokafan’ny taom-piotazana sy taom-panondranana letisia tamin’ity taona ity. Sambo miisa roa no efa lasa teo alohan’ity CS Trust ity. Ny sambo voalohany Atlantic Klipper izay nitondra letisia milanja 5 400 taonina ho any Eoropa. Niainga teo amin’ny fiantsonan’ny sambo tao Toamasina Mole B ny alahady 23 Novambra 2025 teo. Ny sambo Baltic Summer kosa no sambo faharoa noraisin’ny orinasa SMMC, izay niantsona tao amin’ny Mole C1 ka nitondra letchi 1 700 Palettes mankany Rosia, izay efa niala tao Toamasina ny talata 25 novambra 2025 hariva teo. Samy an’ny GEL na ny Vondron’ny Mpanondrana Letchi ireo roa ireo. Ny farany teo kosa ity nitondra 5 291 taonina ity. Tsara ny manamarika fa isan’ny letisia tsara indrindra maneran-tany ny vokatra avy eto Madagasikara, izay saika andrasan’ireo mpanjifa any velany hatrany.



