Fiahiana ara-tsôsialy : Manana tahiry ampy hanefana ny volan’ireo mpisitraka ny CNaPS
Ampy ny tahirim-bola eo anivon’ny Tahirim-Pirenena momba ny Fiahina Sosialy (CNaPS), ka tsy misy ahiana ny fisitrahan’ireo mpikambana izany fiahiana ara-tsosialy izany, araka ny nambaran’ny tale jeneraliny, Rahaingonjatovo Vimbina androany teny Ampefiloha.
Nanatanteraka tafa niaraka tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Tranoben’ny CNaPS eny Ampefiloha, androany 5 novambra 2025, ny tale jeneralin’ny Tahirim-Pirenena momba ny Fiahina Sosialy, manoloana ireo resa-be niteraka tebiteby teo amin’ireo mpandoa latsakemboka. Notsipihiny hatrany am-piandohana, fa manana tahiry ny CNaPS, hahafahana manefa ny vola fisotroan-dronono, vidin-takaitra sy volan-jaza, tokony hositrahan’ireo mpikambana.
Manana tahiry ny CNaPS
Nazavain’ity tale jeneraly ity, izay tsiahivina fa nandray ny toerany tamin’ny volana aogositra 2025, ny fomba fitantanana ny vola eo anivon’ny CNaPS, mba hialana amin’ny firoaroan-tsaina. Ny 85%, hoy izy, no andoavana ireo vola tokony hositrahan’ireo mpikambana, toy ny fisotroan-drononon’ireo zokiolona sy ny volan-jaza. Ny 15% kosa no mirotsaka amin’ny tahiry ara-bola (réserve), izay ahodina mba hiteraka zana-bola.
Araka ny fanazavana nomen’ny tale jeneraliny hatrany, dia nanana tahiry ara-bola tokony ho ampy mandritra ny 4 taona sy 7 volana ny CNaPS tany amin’ny tona 2010, saingy tsy nitsaha-nihena izany hatramin’ny taona 2023. Nambaran-dRahaingonjatovo Vimbina, fa 2 taona sy 3 volana sisa izany tahiry ara-bola izany, tamin'ny fotoana nandraisany ny fitantanana. Isan’ny antony nitarika io fihenana io ny fampiasam-bola tsy nahomby nataon’ireo mpitantana nifandimby. Antony iray hafa ihany koa ny tsy fandoavan’ireo mpikambana ny latsakemboka, indrindra isaky ny misy krizy miseho eto amin’ny firenena. Marihina fa manodidina ny iray tapitrisa no isan’ny olona voasoratra anarana eo anivon’ny CNaPS, saingy tsy ireo rehetra ireo no mandoa latsakemboka ara-dalàna. Anaovan’ny tale jeneralin’ny Tahirim-Pirenena momba ny Fiahina Sosialy antso avo ny hanefan’ny rehetra izany.
Fampihenana ny fandaniam-bola
Isan’ny fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny CNaPS, hatramin’ny nandraisan-dRahaingonjatovo Vimbina ny fitantanana, ny fampihenana ny fandaniana. Isan’ny notondroin’ny sendikan’ny mpiasan’ny CNaPS mivondrona, araka ny fanambarana miparitka any anaty tambajotran-tserasera any, ny fanofana fiara elektrika sy solosaina maromaro izay ampiasaina eo anivon’ity tahirim-pirenena ity. Tafiditra ao anatin’ny paikady fampihenana ny fandaniam-bola mivoaka anefa izany, raha ny nambaran’ny tale jeneraly. Efa nihena hatramin’ny 50% izany fandaniana izany, tao anatin’ny herintaona, araka ny nambarany, antony ahafahana milaza fa efa marin-toerana ny tahiry ara-bola eo anivon’ny CNaPS ankehitriny.
Fampitomboana ny vola raisin’ny mpisitraka
Etsy any-daniny, tsy nisy mihitsy ny fampiasam-bola (investissement) nataon’ny CNaPS hatramin’ny fotoana nitantanany, araka ny fanazavany, ary efa roa taona talohan’izany aza no efa nosakanan’ny filàn-kevitry ny minisitra ny fahafahana manodina ny tahiry ara-bola. Nilaza Rahaingonjatovo Vimbina, fa mety ho an’ny fitantanana rahateo izany, amin’izao fotoana mbola mampihotakotaka ny eto Madagasikara izao. Raha ny tolo-keviny aza dia mety kokoa raha avela hipetraka ho kaonty mihidy (bloqué) any amin’ny banky, mandritra ny fe-potoana folo taona, ny tahiry ara-bolan’ny CNaPS mba hiteraka zana-bola. Izany zana-bola izany avy eo no hampiasaina amin’ny fampandehanan-draharaha sy handoavana ny vola tokony hositrahan’ny mpikambana, ka tsy hihena intsony, amin’izay fotoana izay, ny tahiry ara-bola ananan’ny CNaPS. Efa nisy, araka ny nambaran’ny tale jeneraly, ny fifampiresahana momba izany, niaraka tamin’ieo banky isan-tsokajiny eto Madagasikara, tamin’ny volana jona tamin’ity taona ity.
Vinan’ny Tahirim-Pirenena momba ny Fiahina Sosialy moa ny hampiakatra ny vola raisin’ireo mpisitraka ato ho ato. Miankina betsaka amin’ny fanefan’ireo mpikambana ny latsakemboka isam-bolana anefa izany, sy amin’ny fitomboan’ny tahiry ara-bola, izay nomarihin’ny tale jeneralin’ny CNaPS fa efa nahitam-piakarany kely, nanomboka ny taona 2024.



