AVC : Fahatapahana na fahatsentsenan'ny lalandràn'ny atidoha
Miha-tanora hatrany ireo olona tratran'ny AVC. Noho ny aretina tsy voatsabo tsara, ny rotorotom-piainana sy ny sakafo tsy voalanjalanja no tena mahatonga izany.
Misy karazany roa ny AVC :
-AVC hémorragique : Fahatapahan'ny lalandrà ao anaty atidoha, noho ny "tension avo" tsy tsaboina tsara no tena mahatonga azy. Misy ohatra ireo olona tokony hihinana fanafody isan'andro, mandrapahafaty, nefa tsy manaja izany. Mety ho tratran'ny AVC hémorragique ihany koa nefa raha misy fihetseham-po mafy sady tampoka, tsy zaka : alahelo na hafaliana be loatra.
-AVC ischémique : Fahatsentsenan'ny lalandrà any amin'ny atidoha. Raha tsy ny lalandrà lehibe no tapaka, dia lasa malemy na marary ilay marary. Marobe ny antony mahatonga io karazana AVC io, toy ny diabeta na aretim-po tsy voatsabo tsara, ny lanja mihoapampana, ny rarintsaina, ny fihinanana na fidorohana zava-mahadomelina, fihinanana sakafo be akora simika, sns.
Fisorohana ny AVC
Mila mitsapa "tension" matetika avokoa ny olon-drehetra, indrindra ho an'ireo 30 taona no miakatra. Raha toa ka avo ny tension, izany hoe mihoatra ny 14 ilay chiffre voalohany, na mihoatry ny 9 ilay chiffre faharoa, dia mila fitsaboana. Marihana fa tsy maintsy hajaina ny fihinanana fanafody lazain'ny dokotera. Tsy mahamenatra ny mihinana fanafody isan'andro tsy ankiato.
Ireto ihany koa misy torohevitra tsara ampiharina amin'ny fiainana andavan'andro :
-Misakafo ara-pahasalamana : voankazo sy legioma no atao betsaka, ahena ny hena mena sy ny sakafo matavy, ajanona ny sakafo na zava-pisotro misy akora simika ;
-Manao fanatanjahan-tena : zava-dehibe ny fampihetsehana ny vatana, na dia dia an-tongotra 10 minitra isan'andro aza ;
-Matory tsara : adiny 7 isan'alina farafahakeliny no faharetan'ny torimaso ho an'ny olon-dehibe ;
-Ianarana ny mifehy fihetseham-po : avoaka sy zaraina ny alahelo, ialàna izay toerana na olona mety mampihorohoro, izay zavatra mampifalifaly no tena imasoana, miteny mora ;
-Tsaboina tsara ny aretina rehetra : manantona mpitsabo avy hatrany rehefa mahatsapa tsy fahatomombanan'ny fahasalamana, hajaina tsara avokoa ny "traitement" raha misy.


