• Cours de change
  • 5171.57 AR
  • |
  • $4464.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Hetsika FIA sy FIG : Sehatra ivelaran’ny fambolena, fiompiana, ny jono sy ny sakafo

04/09/2025 16:00 © Moov.Mg

Nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy androany 4 septambra 2025, teny amin’ny Centre de Conférence Internationale (CCI) Ivato, ny andiany faha-7 amin’ny Foire Internationale de l’Agriculture, de l’Élevage et de la Pêche (FIA) sy ny andiany voalohany amin’ny Foire internationale de la gastronomie (FIG), ary haharitra 4 andro.

Mampiroborobo ny vokatra mampiavaka an’i Madagasikara

Fotoana iray hampiroboroboana ny vokatra mampiavaka an’i Madagasikara sy hampifandraisana ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fambolena, fiompiana, jono ary ny sakafo ity hetsika, izay karakarain’ny Madavision ity. Manankarena vokatry ny tany mampiavaka azy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena mantsy i Madagasikara, hoy ny tale jeneraly lefitry ny Madavision, Koloina Ranaivo Rajaonarisoa. Tsy vitan’izany fa fanararaotra ho an’ireo mpamokatra ihany koa ity hetsika ity, mba hampivelarana ny lalam-barotra, na eto an-toerana, na any ivelany.

Araka ny nambaran’ny mpikarakara dia miisa 350 ireo trano heva mampiranty, mandritra ny hetsika FIA sy FIG. Ahitana ireo vokatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, ireo vokatra efa voahodina, zezika, fitaovam-pamokarana maoderina, sakafo isan-karazany sy izay rehetra mety ilain’ny tantsaha sy ny mpamokatra ary ny mpanjifa, eny an-toerana. « Sehatra tokana sy manokana mampifandray mivantana ireo mpisehatra rehetra ity hetsika ity », araka ny nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison François Sergio, manomboka any amin’ireo tantsaha mpamokatra, mandalo amin’ireo mpanodina, ireo mpikaroka, ireo mpandraharaha, tonga hatrany amin’ny mpanjifa.

Fambolena manavao sy maharitra

« Fambolena manavao sy maharitra, ho an'ny fampandrosoana lovainjafy » no lohahevitra voizina, mandritra ity hetsika FIA sy FIG taona 2025 ity. Mifanandrify idrindra amin’ny tanjon’ny fitondram-panjakana izany, hoy ny minisitra Hajarison François Sergio, izay mikendry ny fanovana ny rafi-pambolena sy rafi-piompiana eto Madagasikara. Mifampiankina amin’izany sehatra izany, ny indostria, hoy kosa ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, David Ralambofiringa. « Tsy afa-misaraka amin'ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny indostria, satria tsy misy ny azo ahodina any amin'ny indostria raha tsy misy ny akora fototra vokarina eny ifotony », araka ny voalazany. Antony mahatonga ny ministera tantanany hamporisika ny tontolon'ny fandraharaharana eto Madagasikara izany, hoy izy.

Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny hetsika FIA, hatramin’ny andiany voalohany. Amin’ity andiany faha-7 ity dia nametraka birao manokana eny amin’ny CCI Ivato mihitsy ny minisitra, raha ny nambarany, mba hahafahana mifanakalo hevitra malalaka amin’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina, ireo tanora vao manomboka mandraharaha ary indrindra ireo solontenan’ny tantsaha isaky ny Faritra.

Miady amin’ny tsifanjariantsakafo

Isan’ny mpiara-miombona antoka amin’ity hetsika ity ny governemanta alemana, amin’ny alalan’ny GIZ sy ny banky alemana ho an'ny fampandrosoana (KfW). Nanamafy ny masoivohon’i alemaina eto amintsika, Oliver Knoerich, fa manankarena vokatry ny tany i Madagasikara ary mamokatra ny taniny, saingy miaina ireo voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro. Manohana an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana izany i Alemaina, hoy izy. Ho an’ny solontenan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO), Charles Boliko, dia kitro ifaharan’ny fiainan’ny Malagasy betsaka ny fambolena, satria velon-tenan’ny 75%-n’ny mponina miasa. Miantoka ny 26%-n’ny harin-karena faobe io sehatra io ho an’i Madagasikara, hoy hatrany izy. Araka izany, afaka mitondra fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary azo entina miady amin’ny tsifanjariantsakafo.

Ankoatra ireo tranoheva azo tsidihina eny an-toerana, dia misy ihany koa ireo fampisehoana mikasika ny nahandro, hiarahana amin’ireo mpahay lakozia manana ny maha-izy azy. Izany dia entina manamarika ny andiany voalohany ami’ny FIG. Etsy an-daniny, misy ihany koa ny atrikasa, famelabelarana sy fifanakalozan-kevitra, hahafahan’ireo mpisehatra isan-tsokajiny mifandray sy mifanampy. Ny sabotsy 6 septambra dia hisy ny fampisehoana lehibe hiarahana amin’ny tarika Samoela, ankoatra ireo hetsika fanentanana isan-karazany mandritra ireo efatra andro hanatanterahana ny hetsika.

Lire la suite

Articles Similaires