• Cours de change
  • 5179.97 AR
  • |
  • $4462.49 AR
Copyright Image : © Goverinoran_Ny-Faritra-Atsimo-Atsinanana
Image
Vaovao

Atsimo Atsinanana : Mila fanatsarana ny rano, fahadiovana sy fidiovana any amin’ny CSB sy sekoly

01/09/2025 16:38 © Moov

Nanatanteraka fanadihadiana mikasika ny rano, fahadiovana sy fidiovana (RFF), tamin’ny kaominina 51 tao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny ONG Welthungerhilfe (WHH) miaraka amin’ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’antoka. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa nanaovana tatitra mikasika izany. Mbola lehibe ny lesoka mila harenina, raha tamin’io tatitra io.

Ny tanjon’ny fanadihadiana dia ny hamantatra ny filàna sy ny fahabangana amin’ity sehatra ity, eny amin’ny sekoly sy tobim-pahasalamana.

Fanjavonan’ny fotodrafitrasa RFF any an-tsekoly

CSB miisa 19 sy sekoly 73 no nanatanterahana ny fanadihadiana ary nampiseho fa mbola be ny tsy fahampiana amin’ny fidirana amin’ny RFF. Anisan’ny soso-kevitra napetraka ny fananganana lavaka sy fantsakana azo antoka, fametrahana trano fanasana tanana sy lava-piringa misaraka, rafitra fanariana fako, ary fanentanana sy fanaraha-maso tsy tapaka, eny amin’ny sekoly.
Ireo tsy fahampiana ireo dia miteraka loza ho an’ny fahasalaman’ny mpianatra sy manimba ny kalitaon’ny tontolo iainan’ny sekoly. Araka izany, ilaina ny fandraisana andraikitra haingana mba hahazoana antoka ny tontolo ianarana, salama sy mendrika, mifanaraka amin’ny zo fototra ananan’ny ankizy.

Fanamafisana ny fahadiovana eny amin’ny CSB

Eo amin’ny tobim-pahasalamana ihany koa dia hita ihany koa ireo olana mitovy amin’izany. Isan’ny sosokevitra notsongaina manokana ny fanakatonana ireo lavadrano tsy azo ampiasaina, fanasarahana ny lava-piringa ho an’ny lahy sy vavy, fampiofanana ny mpiasan’ny fahasalamana momba ny fanadiovana sy fanasan-damba, ary fanatsarana ny famatsian-drano amin’ny alalan’ny lavadrano arovana sy tambazotra madinika. Hojerena tsy tapaka ihany koa ny kalitaon’ny rano amin’ny alalan’ny fitaovana « filtration » sy « chlorine ».
Nanatrika ity atrikasa ity moa ireo manam-pahefana maro avy amin’ny faritra, toy ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny lefitry ny Préfet, ny Ben’ny tanàna, ny Talem-paritra Rano sy Fahadiovana, ary ireo solontenan’ny UNICEF, ONG sy mpiara-miombon’antoka maro. Mampiseho izany fa ilaina ny fandraisana andraikitry ny rehetra ny asa toy izao.

Lire la suite

Articles Similaires