Tetikasa Haraton’aina : Ankohonana marefo miisa 1 260 000 no nisitraka tohana, hatramin’ny taona 2016
Tsy tohana ara-bola fotsiny ihany no omena ireo olona misitraka ny tohana ara-tsôsialy tanterahin’ny Tahiry miasa ho an'ny Fampandrosoana (FID), eny ifotony. Zava-dehibe ao anatin’izany ihany koa ny fampiofanana ireo mpisitraka, mba hahafahan’izy ireo manana fidiram-bola mahavelona.
Fahavitan-tena ara-bola
Hatramin’ny taona 2016 dia ankohonana malagasy marefo miisa 1 260 000 no notohanana mba ho afaka manana fahavitan-tena ara-bola sy ny fiatiana ara-toekarena, ao anatin’ny tetikasa « Haraton’Aina » izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ary arindran’ny minisiteran’ny Mpo¬ni-na, sy tanterahin’ny FID eny ifotony. Ny 80% amin’ireo mpisitraka no namorona asamba hananany loharanom-bola vaovao.
Tanjona kendren’ny fampiofanana ireo ankohonana marefo ny hananan’izy ireo fahaiza-manao marolafy, toy ny fomba amam-panao tsara ho an’ny ankohonana, ny teknikam-pambolena efa mivoatra, ny fiompiana, ny asa tanana, na ihany koa ny fomba fitantanam-bola. Raha ho an’ny mponina an-drenivohitra, dia misy ihany koa ireo misitraka fiofanana toy ny fanaovana mofomamy, taovolo, zaitra, rafitra, fanamboarana savony… Manamora ny fahafahan’izy ireo miatrika asa mendrika sy sahaza ihany koa izany.
Manatsara ny fidiram-bola
Iray amin’ireo nisitraka ny sahanasa Mijoro, ao anatin’ny tetikasa Haraton’aina, i Sarave Ursula. Iray amin’ireo tohana ara-tsôsialy tanterahin’ny FID ao amin’ny kaominin’i Toamasina Renivohitra izany. Mpivarotra arina fandrehitra no asany teo aloha. Nanaraka fiofanana maro karazana momba ny fiompiana izy : fiompiana akoho mpanatody lava, akoho fakana nofo, fiompiana kisoa… Nividianany kisoa lahy sy vavy ny tohana ara-bola azony, ka nahafahany nanomboka asa fiompiana kisoa, izay nentiny nanatsara ny fidiram-bolany.
Tsiahivina fa misy karazany maro ny sahanasa azo sitrahana ao anatin’ny tetikasa « Haraton’Aina », ka ankoatra ny Mijoro, izay nisitrahan’i Sarave Ursula, dia ao koa ny Vatsin’Ankohonana, ny Fiavota, ny Asa Avora Mirindra, ny Toseke ny Vonje Aigne…