Jono maharitra : Haharitra efatra taona indray ny tetikasa SWIO Fisheries 2 ao amin’ny Helodranon’Ambaro
Notohizan’ny WWF Madagasikara, amin’ny andiany faharoa ny tetikasa SWIO Fisheries ao amin’ny Helidranon’Ambaro. Haharitra efatra taona indray ny asa ho tanterahina ao, izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny volana aogositra teo, tao Ambilobe.
Tanàna miisa 20 hahazo tombony
Ny Helodranon’Ambaro dia fototry ny jono madinika ao amin’ny faritra Diana, izay mamelona fianakaviana maro. Iharan’ny tsindry anefa ny helodrano, toy ny fanjonoana tafahoatra, ny jono tsy ara-dalàna, ary ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro. Izany rehetra izany no antony nanombohana indray ny andiany faharoa amin’ny tetikasa. Maharitra efa-taona ny tetikasa ary tanàna miisa 20 manodidina ny helodrano no iasany. Nanamafy indrindra i Mihary Raparivo, avy amin’ny WWF Madagascar fa “Ny Helodranon’Ambaro dia isan’ireo toerana manan-danja amin’ny jono madinika ao amin’ny faritra Diana, ary manampy betsaka amin’ny toekarena sy ny fiveloman’ny mponina. Natomboka ity tetikasa ity hanamafisana ny fitantanana ny jono madinika sy hiantohana ny faharetany ». Araka izany, sady ho voaaro ny rohivoaary ao anatin’ny tetikasa, no voantoka ihany koa ny sosialin’ireo mponina manodidina.
Fiaraha-mitantana
Isan’ny efa nahazoana vokatra hatramin’izay ny fiaraha-mitantana ny tontolo iainana sy ny fiarovana azy. Ity tetikasa ity dia mbola manamafy izany hatrany, satria mikendry ny fanamafisana ny fiaraha-mitantana ny jono eo amin’ny Vondron’Olona Ifotony sy ny sampan-draharaham-panjakana, ny fanatsarana ny fiveloman’ny mpanjono ary ny fampitomboana ny loharanom-bolan’izy ireo. Tanjony koa ny hanome lanja ny vokatry ny jono azo amin’ny alalan’ny fampihenana ny fatiantoka aorian’ny fanjonoana, sy hampiroborobo ny fahaleovan-tenan’ny vehivavy sy ny fandraisany anjara amin’ny sehatry ny jono.
Mpisehatra 55 no nanatrika ny fotoana nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa. Nahitana ny solontenan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny manampahefana avy amin’ny faritra sy ny eny an-toerana, ny mpitondra nentim-paharazana, ny fiarahamonimpirenena, ny ONG, ary ny solontenan’ny vondron’olona mpanjono eny ifotony.