• Cours de change
  • 5131.15 AR
  • |
  • $4440.49 AR
Copyright Image : © Pierrot Men
Image
Vaovao

Fifindra-monin’ireo mponina Antandroy : Tompon’antoka ihany koa ireo mpanjana-tany

20/08/2025 15:05 © Moov.Mg

Isan’ny tompon’antoka amin’ny fifindra-monin’ireo mponina Antandroy ny fanjanahan-tany. Isan’ny nisongadina izany, tamin’ny vokatry ny fanadihadiana notanterahin’ny Amnesty International, izay novelabelarin’izy ireo omaly 19 aogositra 2025, teny Ambodivona, niaraka tamin’ireo fiarahamonim-pirenena malagasy.

Mponina Antandroy nifindra any Boeny

Raha amin’ny vanim-potoana ankehitriny, dia misongadina fa ny hain-tany, izay miteraka mosary, no mahatonga ireo mponina Antandroy voatery hifindra monina, ka hitsoaka avy any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara. Mandroso antony hafa ihany koa anefa ity fanadihadiana notanterahan’ny Amnesty International ity, izay nampitondraina ny lohateny hoe : « Izany Fijaliana izany dia manenjika ahy na dia aty aza » (Cette souffrance me hante même ici). Mifototra amin’ny fandinihana ireo fomba nahatonga ny vahoaka Antandroy ho mora tratran’ny fandroahana vokatry ny haintany, ka voatery mifindra any amin’ny faritra hafa eto Madagasikara, ity fanadihadiana ity.

Araka ny hita ao anatin’ity tatitra ity tokoa mantsy dia tombanana ho 90 000 any ho any ireo olona avy any atsimon’i Madagasikara, indrindra fa ny vahoaka Antandroy, no voatery nandao ny tanindrazany noho ny mosary nateraky ny haintany, ary nifindra monina tany amin’ny faritra hafa, teo anelanelan’ny taona 2018 ka hatramin’ny 2024. Ireo olona nafindra monina tao anatin’ny taona 2017 hatramin’ny 2024, indrindra ireo avy any amin’ny faritra Androy, izay nifindra tany amin’ny kaominina Ambondromamy sy Tsaramandroso, ao amin’ny faritra Boeny, no tena nifantohan’ny fanadihadiana.

Voly raketa nopotehina

Raha ara-tantara dia efa niaina haintany maharitra hatry ny ela ny mponina Antandroy. Na izany aza, tamin’ny taona 1930 tany ho any vao tena nanomboka nitarika fifindra-monina izany haintany izany. Ny hetsika nataon'ireo mpanjana-tany mba handemena ireo Antandroy, izay isan’ny foko nanohitra hatramin’ny farany ny fanjanahantany, araka ny fanazavan’i Lucky Andrianirina, filohan’ny Alliance Aika, firaisamonim-pirenena miaro ny tontolo iainana. Voalazan’ny tatitra fa, nampidiran’ny mpanjanaka bibikely « cochenille », tany amin’ireo toerana fambolena raketa (Opuntia monacantha), ka namotika ity zava-maniry ity. Ny voan-draketa anefa no miantoka ny sakafon’ny mponina amin’ny fotoanan’ny main-tany, manome rano sy sakafo ho an’ny Antandroy amin’ny fotoanan’ny mosary, ka nahafahan’izy ireo nijanona teo amin’ny tanindrazany, fa tsy voatery nifindra monina.


Copyright Image : © TI MG

Voly raketa tamin’ny velaran-tany nahatratra 40 000 hektara no potika tamin’izany, teo anelanelan’ny taona 1924 sy 1929. Rehefa simba toy izany ny fambolena nentin-drazana ho fiatrehana ny hain-tany, dia lasa niankina tamin’ny asa mora karama nampanaovin’ny mpanjanaka, tany amin’ny faritra hafa, ireo mponina Antandroy. Nihanarefo izy ireo noho ny tsy fahampian-tsakafo, ka ny mosary lehibe voalohany niseho, taorian’ny fandringanana ny raketa, dia nitranga tamin’ny taona 1930. Ny antsasaky ny mponina tany amin’ny distrikan’i Tsihombe, ao amin’ny faritra Androy, no namoy ny ainy vokatr’izany, na nitsoa-ponenana, araka ny voalazan’ny taritra. Teo no nanombohan’ny hoe : « kere », izay midika hoe “maty noana”. Lasa mihamaharitra kokoa izany vanim-potoanan’ny kere izany, tao anatin’ny taona vitsy nifandimby izao, noho ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro.

Fanajana ny zon’olombelona

Notsipihin’i Nciko wa Nciko, mpanolo-tsaina eo anivon’ny Amnesty International, fa hatramin’izay ka hatramin’izao, dia mbola tsy nisy ny fepetra noraisin’i Madagasikara, ho fangatahana ny fiaiken’i Frantsa, fa nanana anjara andraikitra ity firenena ity amin’ny fifindra-monina voatery ataon’ireo Antandroy, noho ny fanimbana ny raketa « Opuntia monacantha ». Ny Vondrona Afrikanina sy ireo mpampaka-teny eo anivon’ny Firenena Mikambana anefa dia efa nanaiky ny fisian’ny voka-dratsy maharitra nateraky ny fanjanahan-tany, indrindra ny fiantraikan’izany mandraka ankehitriny eo amin’ny fahafaha-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro.

Ankoatra ny vokatry ny fanjanahan-tany dia isan’ny notondroin’ny firaisamonim-pirenena ihany koa ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana malagasy, manoloana ny fanampiana ireo Antandroy mpitsoa-ponenana. Anaovan’izy ireo antso avo, araka izany, ny hitadiavan’ny Fitondram-panjakana vahaolana maharitra kokoa, mba ho fanajana ny zon’olombelona, izay tokony hositrahan’ireo mpifindra monina tsy fidiny.



Lire la suite

Articles Similaires