Ireo tsy fahatomombanana na fahasamponana fahita eo amin’ny tongotry ny zaza
Isan’ireo zavatra mampiferotr’aina ny ray aman-dreny maro ny mikasika ny tongotry ny zaza vao teraka. Ilaina ny mamantatra ireo tsy fahatomombanana na fahasamponana fahita eo amin’ny tongotry ny zaza sy ireo fitsaboana azo atao. Araho eto ary ny santionany amin’izany.
Tsy fahatomombanana eo amin’ny tongotry ny zaza : « pied bot »
Ny « pied bot » dia fahasamponana hatrany am-bohoka ny tongotry ny zaza. Ny zaza manao « pied bot » dia mitodika any anatiny ny tongony. Mety izany ny tongotra ilany ihany, nefa koa mety ho ny tongotra roa. Mifototra amin’ny fanintsiana tsikelikely ny tongotra amin’ny alalan’ny « plâtres successifs » ny fitsaboana azy io. Ho an’ireo tranga sarotra dia mety mila fandidiana ny fitsaboana ny « pied bot ».
« Métatarsus adductus »
Ny « métatarsus adductus » dia fiholanan’ny afovoan’ny tongotry ny zaza mankany anatiny. Matetika ity tsy fahatomombanana ity dia vokatry ny paozin’ny zaza tao anaty tranon-jaza. Amin’ny ankapobeny dia mahintsy ho azy ny tongotra manao « métatarsus adductus » afaka herinandro vitsy aorian’ny fahaterahan’ny zaza. Raha toa kosa ka tsy mety mahintsy ho azy izy io dia mety mila ahintsy amin’ny alalan’ny « exercices d’étirements », « plâtres » na « attelles » any amin’ny mpitsabo.
« Pied plat »
Atao hoe manao « pied plat » ny zaza raha toa ka milempona (affaissée) ny « arche du pied » na ny ao amin’ny faladia tongotra. Eo amin’ny zazakely sy ny ankizy dia zavatra ara-dalàna ny « pied plat » ary tsy mila fitsaboana amin’ny ankapobeny. Miova tsikelikely araka ny tokony ho izy izy io rehefa mihalehibe ny zaza. Raha tsy mety miova na koa lasa manaintaina na manelingelina ny fahafahana mandeha kosa nefa ny « pied plat » dia mila entina tsaboina eny amin’ny « podologue ». Mety mila asiana « orthèses plantaires » na ampanaovina « exercices » manokana izy hampahintsy izany.
« Polydactylie »
Ny « polydactilie » dia fahasamponan’ny tongotra miseho amin’ny fisian’ny rantsan-tongotra iray na maromaro mihoatra. Io tsy fahatomombanana io matetika dia manaranaka ary mety mahakasika ny tongotra roa. Ny fitsaboana azy io moa dia ny fanesorana ireo rantsana mihoatra amin’ny alalan’ny fandidiana. Matetika dia mbola kely ny zaza no atao izany.
« Syndactylie »
Ny atao hoe « syndactylie » dia ny fifampiraiketan’ny rantsan-tongotra roa na maromaro. Mety ho ny ampahany ihany na koa ny rantsana manontolo, ka ny mety ny hoditra na ny taolan’ireo rantsan-tongotra no mifampiraikitra. Ny fampisarahana ireo rantsana amin’ny alalan’ny fandidiana no fitsaboana azo atao. Tokony rehefa alohan’ny manomboka mandeha ny zaza no tanterahana izany mba hampizotra ara-dalàna ny fitombon’ny tongotra.
Torohevitra ho an’ny ray aman-dreny
Ilaina indrindra ny manantona mpitsabo ny zaza na mpitsabo manokana ny tongotra raha toa ka misy ahiahiana ny mikasika ny tongotry ny zaza. Ny fahitana aloha ny mety ho tsy fahatomombanana dia manampy amin’ny fanamorana ny fitsaboana izany. Fadiana ny manery ny tongotry ny zaza anaty kiraro tery loatra.