• Cours de change
  • 5091.92 AR
  • |
  • $4456.06 AR
Copyright Image : © La-République-Des-Pyrénées
Image
Reny&Zaza

Fampinonoan-dreny : mitondra tombontsoa maro ho an’ny zaza sy ny reny

01/08/2025 13:07 © Moov.Mg

Manomboka androany ny herinandro maneran-tany ho an’ny fampinonoan-dreny. Mifantoka indrindra amin’ny famporisihana sy fanohanana ny reny hampinono ny zazany izany. Tsikaritra tokoa mantsy fa mihamaro ny reny misafidy ny tsy hampinono ny zanany fa manome azy solondronono na dia afaka manatanteraka izany azy izy ireny. Andeha ary ampatsiahivina eto ireo vokatsoan’ny fampinonoan-dreny eo amin’ny zaza sy ny reny.

Fampinonoan-dreny : ireo vokatsoa ho an’ny zaza

Ny rononon-dreny no sakafo tonga lafatra ho an’ny zaza, indrindra hatramin’ny faha enim-bolany. Izy io dia manana firafitra manokana afaka mifanaraka tsara amin’ireo filàna izay miovaova eo amin’ny zazakely. Maro arak’izany ny vokatsoan’ny fampinonoan-dreny eo amin’ny zaza :
-Mitondra ireo otrikaina rehetra ilain’ny zaza ho an’ny fahasalamany sy ny fitomboany. Ahitana ny fatra ilaina amin’ny « protéines », « glucides », « lipides », vitamina sy mineraly amin’ny fitomboan’ny vatana sy ny atidohan’ny zaza ny rononon-dreny. Ny « colostrum » na ranombatsy, ilay ronono voalohany vokarin'ny reny avy niteraka, dia hery fiarovana sy « protéines » izay ilain’ny zazakely.
-Miaro ny zaza amin’ny aretina. Ny rononon-dreny dia manampy betsaka amin’ny fiarovana ny zaza amin’ny aretina. Mitahiry « anticorps » maro izay miaro ny zaza amin’ny otrikaretina, toy ny « otites », aretin’ny taovam-pisefoana sy areti-kibo izy io.
-Mampivelatra kokoa ny saina. Maro ireo vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana tany ivelany no manambara fa mahazo vokatra tsara tamin’ireo « tests d’intéligences » kokoa ny ankizy nampinonoan-dreny fotsiny ihany hatramin’ny faha enim-bolany. Voalaza tamin’izany fa mandrisika ny fitomboan’ny atidoha ny fampinonoan-dreny.
-Mampihena ny « risques » hampisy areti-mitaiza. Mandray anjara amin’ny fampihenana ny « risques » hahatonga ny hatavezana be loatra sy hampisy diabeta sokajy faharoa rehefa lehibe ny fampinonoan-dreny. Ankoatra izay dia mampihena ny « risque » hampisy « allergies » sy ny « syndrome de mort subite du nourrisson » ihany koa izany.

Ireo vokatsoan’ny fampinonoan-dreny eo amin’ny reny

Mitondra vokatsoa lehibe maro ho an’ny fahasalaman’ny reny ihany koa ny fampinonoan-dreny :
-Manirana ny vatana aorian’ny fiterahana. Rehefa mampinono ny reny dia mamokatra « ocytocine » ny vatany. Izy io dia hormonina mandrisika ny fikainkonan’ny tranon-jaza ka manampy ity farany hiverina amin’ny habeny ara-dalàna ary mampihena ny « risques d’hémorragie » aorian’ny fiterahana.
-Mampihena ny « risques » hahavoa aretina sasany. Ny fampinonoan-dreny dia mety mampihena ny « risques » hahazoana aretina toy ny homamiadan’ny nono sy ny « ovaire », diabeta sokajy faharoa, aretin’ny fo sy ny lalandrà.

Lire la suite

Articles Similaires