• Cours de change
  • 5099.04 AR
  • |
  • $4447.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Résultat Bac 2025 : Andrasana amin'ny tapaky ny volana aogositra ny valim-panadinana

30/07/2025 18:59 © Moov

Iray volana eo ho eo ny fiandrasana ny Résultat Bac 2025 ho an'ireo mpanala fanadinana. Vinavinaina any amin'ny faha-20-n'ny volana aogositra any ho any ny fivoahan'ny valim-panadinana.

Nanomboka ny alatsinainy 28 jolay ny fitsarana ny taratasim-panadinana Bakalorea. Ho an'ny eto Antananarivo sy ny manodidina, eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo (Cathédrale Médécine) no tsaraina ny taratasim-panadinana.

Fandaminana

Samy manana ny fandaminany manokana ny eny anivon'ny Oniversite isaky ny renivohi-paritany. Amin'ny ankapobeny, maromaro ireo fepetra tsy maintsy arahin'ireo mpitsara fanadinana sy mpikirakira naoty, mba tsy hisian'ny kolikoly. Misy fetrany ihany koa ny isan'ny taratasim-panadinana tsaraina isan'andro, mba ho voajery tsara ny valin'asan'ny mpiadina tsirairay.
Samy hanana ny fotoana hamoahany ny Résultat Bac 2025 moa ireo Oniversite isaky ny renivohi-paritany eto Madagasikara. Rehefa misy kosa nefa ny fiantsoana ireo mpitsara fanadinana amin'ny "délibération" dia mazava fa efa hivoaka ny valim-panadinana. Tsiahivina fa miaraka mivaly hatrany ny fanadinana, ho an'ny sokajy ankapobeny sy teknika. Miisa 222 330 moa ireo mpiadina manerana ny Nosy.

Naoty ratsy

Tsy azo odian-tsy hita ny fidinan'ny "niveau"-an'ireo mpanala Bac, araka ny fanehoan-kevitry ny ankamaroan'ireo mpitsara fanadinana eny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo. Na ny taranja heverina ho "mora" toy ny Français sy ny Anglais aza mantsy dia tsy voafehin'ireo mpianatra. "Zatra fanafohizan-teny sy Tchat GPT loatra angamba ny tanora ankehitriny ka sahirana amin'ny famoronana fehezanteny sy ny fanajana ny tsipelina. Tsy mbola haintsika Malagasy ny mifehy ny fampiasana ny teknolojia ka anisan'ny mampidina ny lentan'ny fahalalana izany", hoy ny mpitsara fanadinana taranja français iray. Somary ratsy ihany koa ny naoty hatreto ho an'ny taranja philosophie, mathématiques ary physique-chimie. "Azo lazaina fa tena mora ny laza adina ho an'ny série A2, nefa tsy 50% akory hatreto no nahazo moyenne tamin'ireo taratasim-panadinana notsaraiko. Na izany aza, misy ireo tena mahay, ka mahazo hatramin'ny 18/20 mihitsy", hoy ny mpitsara fanadinana iray.
Amin'ny ankapobeny, manahy ny hidinan'ny taham-pahafahana Bakalorea ireo mpitsara fanadinana eto Antananarivo amin'ity taona 2025 ity. Mety hihenjana araka izany ireo mpitsara ka tsy hanaiky hampidina ny "moyenne" farany ambany hahafahana fanadinana mandritra ny Délibération : 10/20 fa tsy 9,50 na 9,75/20.

Lire la suite

Articles Similaires