Raharaha Boeing 777-200 any Iran : Naato tamin'ny asany ny Ministry ny Fitaterana, Ramonjavelo Valéry
Nivoaka izao harivan'ny 29 jolay izao ny fanambaran'ny Fiadidiana ny Repoblika, mampahafantatra fa noesorina tamin'ny toerany i Ramonjavelo Valéry, Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro.
Ny fahasalamam-bahoaka no tena nafana teto amin'ny firenena, tao anatin'ny herinandro maromaro, noho ny fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo namoizana ain'olona maro, tamina faritra miisa 3. Vao tamin'iny herinandro lasa teo iny no nipoaka ny raharaha fiaramanidina miisa 5 any Iran ka izao niafara tamin'ny fanesorana ny minisitry ny fitaterana izao.
Fanazavan'ny Ministera mikasika ilay raharaha mafana
Tsara ny manamarika fa efa nitondra fanazavana mikasika ireo fiaramanidina Boeing 777-200 mitondra laharana « 5R » avy eto Madagasikara tonga any Iran ireo ny ekipan'ny Minisitra Ramonjavelo Valéry. Ny kaody 5R mantsy dia natokana ho an’ny fiaramanidina an’ny orinasa mpitatitra an’habakabaka voasoratra ara-dalàna eto an-toerana. Araka ny fifanarahana, tokony nijanona tany amin'ny faritra Sinoa ireo fiaramanidina ireo, nefa izao efa any Iran izao. Nambaran'ireo tompon'andraikitra moa fa hosoka avokoa ireo taratasy nampiasaina namindrana toerana ireo fiaramanidina mitondra laharana malagasy ireo, ka efa misy mihitsy ny fikarohana ireo olona voarohirohy amin'izany : teratany malagasy iray sy indiana iray no karohin'ny mpitandro filaminana fatratra. Efa nisy ihany koa ireo voasambotra.
Fandaminana
Ny Praiminisitra Ntsay Christian no miandraikitra ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny andro, mandra-panendry minisitra vaovao.
Andrasana izay mety ho tohin'ny raharaha satria azo antoka fa misy fiantraikany ratsy eo amin'ny diplaomasia iraisam-pirenena ny fahafantaran'izao tontolo izao ny fisian'ireo fiaramanidina mitondra laharana Malagasy any Iran. Io firenena io moa dia manana ady amina firenena maromaro, ka anisan'izany i Etazonia.