• Cours de change
  • 5118.59 AR
  • |
  • $4432.44 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Antananarivo : Kendrena hiisa 24 000 isan-taona ny sora-pahaterahana ho zaraina maimaim-poana

29/07/2025 15:27 © Moov

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF), mikasika ny fampisitrahana kopia miamaim-poana. Nanatanteraka fanaovan-tsoniam-piarahamiasa izy ireo, androany. Hitohy mandritra ny 5 taona indray izany.

Hampiakarina avo roa heny ny mpisitraka

Ity fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ity dia manamarika ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Raha ny teo aloha hatramin’izay dia olona miisa 12 000 isan-taona no misitraka izany, manerana ny boriborintany enina. Vokatr’ity fiaraha-miasa vaovao ity kosa dia ho ampiakarina avo roa heny ny fisitrahana ireto kopia nahaterahana ireto. Nanamafy izany ny Ben’ny Tanàna, Harilala Ramanantsoa fa, « Niisa 12 000 no voazara ho an’ny taona 2024 – 2025 ka tsy maintsy ho ampiakarina izany hamahana ny olan’ireo olona sahirana. Araka izany, kendrena hatramin’ny 24 000 isan-taona indray no hozaraina, manomboka eto ».
Raha ny nomarihina dia ireo olona sahirana no tena hisitraka ity fanampiana ity, satria izy ireo no tena tsy manana izany. Hanampy azy ireo, araka izany ny OIF, raha ny fanazavana. Etsy ankilany dia hisy ihany koa ny fampitaovana sy ny fampiofanana, ireo hanatanteraka ny fizarana sy ny famolavolana izany kopia izany.

Hamaha ny olan’ireo ankizy

Maro ny zo tsy afaka sitrahin’ireo ankizy tsy manana kopia nahaterahana, indrindra ireo tena ilaina. Ao anatin’izany ny zo hianatra sy ireo zo fototra tokony ho sitrahiny. Araka izany, zava-dehibe ny tokony hahazon’ny olon-drehetra ny kopia. Etsy andaniny dia zo fototra ihany koa ny fananana sora-pahaterahana.
Isan’ny olana mety mahatonga ny tsy fananana azy io, ihany koa moa ny fahatahoran’ny Ray aman-dReny manatona biraom-panjakana. Hamahana izay dia voarakitra ao anatin’ity fiaraha-miasa ity ny fanamorana ny fandraisana azy ireo any anivon’ireo birao mety hilana azy.
Marihina fa ao anatin’ny 30 andro aorian’ny nahaterahana no tokony hanoratra ny zaza ny Ray aman-dReny, ankoatra ny hetsika maimaim-poana. Na dila aza anefa io 30 andro io, dia mbola azo atao foana ny manoratra azy ara-panjakana. Afaka manatona ny kaominina, manontany ny antsipirihan’izay tokony atao amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires