BEPC 2025 : 58,59% ny taham-pahafahana raha 67,97% tamin'ny taona 2024
Nahitana fidinany ny taham-pahafahana fanadinana BEPC 2025, araka ny tatitry ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena.
Tsy dia tsara ny vokatra tamin'iny taom-pianarana 2024-2025 lasa iny. Maromaro ireo sekoly tsy mametaka "affichage" ny amin'ny voka-panadinana BEPC noho ny taham-pahafahana somary ambany. 58,95% ny taham-pahafahana fanadinana BEPC teto Madagasikara tamin'ity taona 2025 ity. 67,97% mantsy ny taham-pahafahana ankapobeny tamin'ny taona lasa. Tamin'ireo mpiadina miisa 299 198 voasoratra anarana, dia ny 17 0498 ihany no afaka fanadinana, raha toa ka tsy tonga niatrika izany kosa ny 9 952.
Facebook & jeux
Raha ny resadresaka nifanaovana tamina tompon'andraikitry ny sekoly miisa 5 teto an-drenivohitra, anisan'ny naha-ratsy ny vokatra ny firoboroboan'ny teknolojia. Saika efa manana finday avolenta avokoa mantsy ny 80%-n'ireo mpianatra kilasy faha-telo. Manaraka ny fepetra amin'ny tsy fahafahana mampiasa izany ireo mpianatra any am-pianarana, saingy variana amin'ilay fitaovana raha vao tafody any an-trano, indrindra fa amin'ny alina. "Rehefa mifampiresaka amin'ireo ray aman-dreny izahay dia milaza izy ireo fa voafetra ny fampiasan'ny zanany finday. Azo antoka nefa fa miafina ny ankizy mampiasa tambazotran-tserasera na manao jeux", hoy ny tompon'andraikitra iray. Tsy azo lavina ihany koa ny "kivadivady", satria efa miha-tanora ireo mpanala fanadinana (13 hatramin'ny 16 taona eo ho eo), ka misy efa miroso amin'ny fanaovana "sipa".
Tsy fahafehezana teny vahiny
Sakana goavana amin'ny fanalana fanadinam-panjakana ihany koa ny tsy fahafehezana teny vahiny. Tsy vitsy ireo tsy mahazo tsara ny "sujet", hany ka diso ny valiny apetraka na dia hay tsara aza ny lesona. Vokatry ny tsy fandavan-tena amin'ny famakiana boky moa no mahatonga izany. Araka ny voalaza etsy ambony, tsy azo adino fa ny finday no tena tsy misaraka amin'ny ankamaroan'ny mpianatra. Misy araka izany ireo mampiasa fanafohizan-teny tahaka ireny manoratra MP na SMS ireny. Rehefa maro loatra nefa ny tsipelina diso dia mety hihena ny naoty.
"Efa terena mihitsy ireo mpianatra vao mba mamaky boky izany, izany hoe rehefa misy devoir ilàna boky ohatra. Eto aminay nefa misy Bibliothèque soa aman-tsara", hoy ny talen-tsekoly iray. Na dia efa mandroso aza ny teknolojia, entanina ireo ray aman-dreny hividy boky (taratasy) sy hamporisika hatrany ny ankizy hamaky boky. Ilaina hatrany ihany koa ny fanaraha-maso sy ny fanabeazana ao an-tokantrano.
Fahasahiranana
Misy amin'ireo ankizy tsy afaka BEPC no misedra fahasarotana eo anivon'ny Ray aman-dreny. Noho ny fahasahiranana dia mikorontana ny sain'ny ankizy. Misy tokoa mantsy ireo tsy afaka namita ny taom-pianarana noho ny tsy fahefana ny saram-pianarana. Tsy vitsy ireo najaon'ny Ray aman-dreny tamin'ny fianarana mihitsy.
Na dia midina aza ny taham-pahafahana ankapobeny, mbola misy tokoa ireo mpianatra tena mahay. Ny tany Mananjary ohatra dia maherin'ny 19/20 ny "moyenne" ambony indrindra.