Bac 2025 : Mifantoka amin'ny "Faradoboka" ireo mpiadina
Andro sisa no isaina dia hanomboka ny fanadinam-panjakana Bakalorea 2025. Amin'ny 21 hatramin'ny 25 jolay ho avy izao ny fanadinana ho an'ireo manaraka ny fampianarana ankapobeny, ary mbola hitohy hatramin'ny 31 jolay izany ho an'ireo mpiadina amin'ny fampianarana teknika.
Samy manao izay ho afany amin'ny famerenana ireo mpanala Bac 2025 amin'izao herinandro farany mialoha ny fanadinana izao. Maro tokoa ireo manenjika "Faradoboka" atolotr'ireo mpampianatra efa za-draharaha. Ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manokana, mpianatra maherin'ny 800 no misitraka "cours" maimaimpoana eny amin'ny Tranompokonolona Isotry, ho fanampiana azy ireo ampin'ny fiatrehana ny bakalorea 2025. Mpampianatra miasa an-tsitrapo no miara-miasa amin'ny CUA, amin'ny fanatanterahana izany Faradoboka maimaimpoana izany.
Famerenana faraparany
Tsy fanomezana "pronostic" mikasika ny laza adina akory no tanjon'ny Faradoboka. Efa nandray fepetra matotra ny avy eo anivon'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony mba hiarovana ireo laza adina sy tsy hahitan'ny rehetra izay mety ho vinavina mikasika izany. Amporisihana araka izany ireo mpianatra kilasy famaranana hanala Bac 2025 mba hifantoka amin'ny famerenan-desona manontolo, fa tsy hanao tsianjery lesona vitsivitsy fotsiny. Matetika mantsy dia mieritreritra ny maro hoe rehefa nisy "Etats-Unis" amin'ny taranja tantara tamin'ny taona lasa dia tsy tokony hiverina intsony iny.
Tsiahivina fa mahavoasazy ny fivarotana sy ny fividianana karazana "sujets", indrindra moa fa maromaro ireo mbola sahy milaza fa manana laza adina Bac 2025. Fitsapam-pahaizana mantsy ny fanadinana ka ny fahalalana no ampiasaina, fa tsy ny vola na ny hafetsena samihafa.
Fanomanana ny Bac 2025
Amin'ny 7 ora maraina dia manomboka ny fanadinana Bakalorea 2025 amin'ny alatsinainy 21 jolay ho avy izao. Midika izany fa mila omanina mialoha avokoa ireo fitaovana rehetra ilaina, eny hatramin'ny sakafo sy ny fitafiana aza.
Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy hanampiana ireo mpanala Bac 2025 :
-Tsy miaritory be loatra intsony ny sabotsy sy ny alahady mialoha ny fanadinana ;
-Tsy mahasoa ny fihinanana fanafody mampatanjaka hasolo torimaso ;
-Sakafo ara-pahasalamana sy maivamaivana no hanina, mba hisorohana ny fahasarotan'ny fandevonan-kanina sy ny aretin-kibo ;
-Omanina mialoha ao anaty kitapo entina mandritra ny fanadinana ny Convocation, ny Karapanondro/ Carte d'étudiant sy ireo fitaovam-pianarana rehetra. Tsy avoaka anaovana "révision" ireo fitaovana ireo mba tsy ho adino ;
-Ahena na ajanona mihitsy ny fampiasana finday mba tsy handreraka ny maso sy handrebireby. Misy fiantraikany ratsy amin'ny fifantohana ny fifampiresahana maharitra amin'ny namana amin'ny tambazotra sosialy ;
-Ajanona ao anaty kitapo mihidy ny kahie, boky, fiches sy ny finday, mba tsy hampisy fakam-panahy amin'ny hala-tahaka ;
-Mozika malefaka no alefa ao an-trano raha te hanala fahanginana, mba hampitony tsara ny saina sy ny fo.
Raha misy ahiana ny fahasalamana, tsara raha manantona mpitsabo avy hatrany. Mety hampihombo ny aretina na hampatory mantsy ny fandraisana fanafody isan-karazany.