Bac 2025 : Olona 3 nidoboka am-ponja noho ny "fivarotana sujets"
Manamafy ireo fepetra mikasika ny fanadinam-panjakana Bac 2025 ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony. Anisan'ny vaindohan-draharaha ny fanafoanana ny fiparitahan'ny "Sujets" sandoka, indrindra ny fivoahan'ireo tena laza adina.
Manara-maso fatratra ireo milaza azy ho manana "sujets" amin'ny Tambazotran-tserasera samihafa ireo mpitandro ny filaminana. Olona 4 no efa voasambotra, ka ny telo amin'ireo no efa nampidirina am-ponja vonjimaika,raha toa ka mbola hiakatra fampanoavana ny iray. Tamin'ny alalan'ny "Facebook" sy "WhatsApp" no nanjonon'ireo olona ireo mpiadina haka bakalorea.
Fepetra hentitra
Nafindra toerana ireo mpampianatra mamolavola sy misafidy ireo laza adina. Amin'ny 31 jolay, izany hoe amin'ny fiafaran'ny Bac 2025, vao hamonjy fodiana ireo mpampianatra ireo. Eo ambany fanaraha-mason'ny zandary izy ireo, ary tsy miserasera amin'ny hafa mihitsy satria voarara ny fampiasana finday. Misy Caméra de surveillance rahateo ny toerana. Hatreto aloha, novaina tanteraka ireo "Propositions de sujets". Hisy firaketan-tsary fanaraha-maso izany ihany koa ireo fiara rehetra ampiasaina amin'ny fitaterana ny laza adina sy ireo foibem-panadinana rehetra.
Ny tanjona moa dia ny mba haha-fitsapam-pahaizana manontolo ny fanadinam-panjakana. Tsy azo ekena ireo hafetsena isan-karazany mba hanafahana ireo tsy mahafehy ny fandaharam-pianaran'ny kilasy famaranana.
Fianarana sy fahatokisan-tena
Marobe ireo mpianatra tsy mahatoky ny tena fahaizany ka alaim-panahy hitady laza adina mialoha ny fotoana. Tsy vitsy ihany koa ireo manenjika "Faradoboka" etsy sy eroa mba hahazo "sopapa". Entanina nefa ireo mpanala fanadinana rehetra mba hitoky amin'ny fahaizana irery ihany. Mbola manana herinandro ny mpiadina hanaovana famerenana raha toa ka misy lesona na fampiharana mbola tsy hay. Entina hanamafisana izay efa nianarana ireny "Faradoboka" ireny fa tsy hanantenana famoahana laza adina mivantana na an-kolaka akory. Tsy tokony hitoky amin'ny "Pronostics" ihany koa ireo mpiadina, satria ny fahaizana sy ny fahazoana ny lesona no ilaina fa tsy ny fanaovana tsianjery maimbo fotsiny. Antoka hahombiazana amin'ny fianarana izany, indrindra amin'ny fanomanana sahady ny fianarana sy fikarohana eny amin'ny Ambaratonga Ambony.
Ampahatsiahivina ireo mpanala fanadinana Bac 2025 fa tsy maintsy vonoina sy atao anaty kitapo mihidy avokoa ny finday sy fitaovana elektronika mandritra ny fotoam-panadinana, isaky ny taranja. Mitarika tsy fahafahana miatrika fanadinam-panjakana mandritra ny 5 taona ny fahatratrarana mpiadina mangala-tahaka mandritra ny fanadinana.
Manomboka ny alatsinainy 21 jolay, izany hoe amin'ny herin'ny androany, ny Bakalorea ho an'ny taom-pianarana 2024-2025 manerana an'i Madagasikara.