• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Ranoe Eugene
Image
Madagasikara

Ranoe : Mpanoratra, isan’ny mpanorina ny Faribolana Sandratra, namorona ny « riankalo »

04/07/2025 16:39 © Moov.Mg

« Izay voaantso ihany no lasa mpanoratra fa tsy izay te hanoratra rehetra », hoy Ranoe. Iray amin’ireo « voaantso » izy, ka isan’ireo andrarezin’izany kanto izany eto Madagasikara. Asa sahaniny ihany koa ny fampitana ny haren’ny teny malagasy amin’ireo tanora mpianatra eto amintsika.

Ranoe, mpanoratra

Rakotomahafaly Norbert Eugène no tena anarany. Natambatra ireo lohan’anarana, ka nanjary nanome ny « Ranoe », anaram-penina nosafidiany. Teraka ny 1 martsa 1959 izy ary vao kilasy faha-6 dia efa nanoratra tononkalo. Taona 1972 izay fotoana nanombohany nanoratra izay. Manambady Ranoe ary manan-janaka 4 mianadahy. Mpikambana eo anivon’ny Akademia Malagasy izy.

Tsy nionona tamin’ny fanoratana tononkalo ny lehilahy, fa namoaka karazana asa soratra maro. Nanoratra sombin-tantara, tantara foronina ary tantara fandefa an'onjam-peo ihany koa izy. Ankoatra izay dia isan’ny nifotorany ny lahatsoratra famotoporan-kevitra momba ny Literatiora, izay manodidina ny 200 isa any ho any.

Ranoe no nitondra ilay sokajin-dahatsoratra antsoina hoe : « riankalo », teo amin’ny tantaran’ny Literatiora malagasy. Raha hazavaina dia lahatsoratra ihaonan’ny tononkalo sy ny sombin-tantara ny riankalo, izany hoe : toy ny lahatsoratra tsotra ny endriny, saingy mety ahitana fehezanteny mirafitra, sarin-teny, rima… « Tsy lahatsoratra tsotra izy satria ahitana fiangaliana sy ahitana taratra ny hanatratra ny antsoina hoe poezia vita amin'ny teny. Tsy tononkalo koa anefa satria tsy manara-drafitra », hoy ny fanazavany. Nahazo ny loka voalohany nomen’ny Akademia Malagasy ny riankalo nosoratan’i Ranoe, mitondra ny lohateny hoe : « Volana », tamin’ny taona 1987.

Ranoe, mpampianatra

Nitondra fivoarana betsaka teo amin’ny sehatry ny literatiora malagasy tokoa Ranoe. Iray amin'ireo nanorina ny Faribolana Sandratra mantsy izy. Ny tenany ihany koa no nanorina ny Gazety Ambioka, tamin’ny taona 1997. Ny fahatsapany, fa tsy nanome vahana loatra ny literatiora ireo gazety nisy, no nahatonga azy hamorona ity gazety mifototra ranoray amin’ny literatiora ity. Natolony ho an'ny Faribolana Sandratra izany gazety noforoniny izany.
Araka izany, nanao gazetyan-tsoratra Ranoe, niasa tamin’ny onjampeo, ary indrindra mpampianatra ihany koa. Sady mampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony izy no mampianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa, amin’ny sekoly maro. Manatanteraka vela-kevitra manerana ny Nosy ihany ko aizy ary mpikabary.
Maherin’ny 30 isa ny boky ahitana ny tononkalo nosoratan’i Ranoe. Marihina manokana ny nandikany, niaraka tamin’i Elie Rajaonarison, ireo tononkalo sasantsasan’ilay mpanoratra frantsay, Jacques Prévert. Anjambolana no lohateny nampitondrain’izy ireo izany boky izany. Ankoatra ireo dia betsaka ny boky fampiasa any an-tsekoly mirakitra ny asa soratr’i Ranöe, ho an’ny kilasy T9, T10, T11, T12.

Te ho lasa mpanoratra…

Etsy ange ianao omena santionany amin’ny asa-soratr’i Ranoe, tononkalo mitondra ny lohateny hoe : Fitia.


Doladolam-pitia bakobako
Sangisagim-pitia safosafo
Ny ratram-pitia lafolafo
Angolangolam-pitia mamomamo
Izay ilaozan'ny tia kamokamo
Ny ferim-pitia lasa angano
Hantahantam-pitia kakakaka
Matimatim-pitia vakavaka
Ny aretim-pitia maka faka
Babobabom-pitia sambatsambatra
Sefosefom-pitia mihambatrambatra
Izay voadonam-pitia sakodiavatra


Misy maro ireo tanora no maniry ny ho lasa mpanoratra. Torohevitra omen’i Ranoe azy ireo ny famakiana asa soratra maro noforonin’ireo andrarezina, raha te ho tafavoaka eo amin’izay sehatry ny fanoratana izay.



Lire la suite

Articles Similaires