Ambositra : Olona 6 no maty noho ny fahapoizinana ara-tsakafo
Misaona ny faritra Amoron'i Mania. Olona 6 no namoy ny ainy ary 18 be izao no mbola tsaboina, noho ny fahapoizinana ara-tsakafo.
Fianakaviana iray nanotrona lanonana noho ny Kaominio voalohany tamin'ny alahady 22 jona lasa teo no misedra fahasarotana. Miisa 6 be izao ireo namoy ny ainy, ary 18 ireo tsaboina.
Charcuterie
Havana avy any Toamasina no nitondra ny "Charcuterie" nanamboarana ny sakafo nohanina ny alahady lasa teo. Heverina araka izany fa nisy fahasimbana izany vokatra izany, na tamin'ny nitondrana azy avy any Toamasina, na tamin'ny nitehirizana azy tao Ambositra. Marihana ny mpianakavy ihany no nikarakara ny sakafo rehetra fa tsy "traiteur" akory. Nodimandry moa ny renin'ilay zazavavikely natao kominio voalohany. Mbola ahitana fahasarotana moa ny fitsaboana io zazavavikely vao nandray fahasoavana io.
Nisy mpirahavavy iray tampo niaraka namoy ny ainy tamin'izao tranga izao. Ny iray tamin'izy ireo no namonjy ny fety, ka nitondra sakafo ho an'ilay rahavaviny tany an-trano.
Fandraisana an-tanana
Mandray andraikitra amin'izao voina izao ireo tompon'andraiki-panjakana isan-tokony, ka isan'izany ny VPAN Haingo Nambinina. Maimaimpoana moa ny fandraisana an-tanana ireo tsy salama eny anivon'ny CHRR Ambositra.
Entanina ny rehetra mba samy hitandrina amin'ny fisafidianana, fitehirizana sy fikarakarana sakafo, indrindra amin'izao ankatoky ny fety izao. Tena ilàna fitandremana ny fitehirizana ny sakafo mila hatsiaka toy ny "Produits laitiers", ny "Charcuteries", ny mofomamy, sns. Raha zatra mivisy vokatra amin'ny Boaty na amina fonosana isan-karazany, tsy maintsy hamarinina ny daty farany fihinanana azy sy ny endrika ivelan'ny vokatra. Tsara kokoa raha vokatra tsy misy akora simika no hanina.
Asaina ny rehetra, na kely na lehibe, hanantona tobim-pahasalamana avy hatrany raha vao misy olana ara-pahasalamana.