• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Taolagnaro : Paradisan'ny faritra atsimo, manankarena tantara sy natiora

15/06/2025 17:08 © Moov

Miha-manantona ny fialan-tsasatra lehibe. Raha mbola mitady toerana madio, milamina sady tsy be mpiala sasatra firy, 'ndao ho any Taolagnaro.

Any Atsimo Atsinanana, izany hoe any amin'ny faritra Anôsy no misy an'i Fort-Dauphin na Faradofay na Taolagnaro. Eo ho eo amin'ny 1 120 kilometatra miala an'Antananarivo no misy azy. 200 kilometatra no misy azy raha miala avy ao Toliara. Misy lalana ihany koa eo Andranovory, mandalo an'i Bezaha, raha tsy te handalo ny renvohitr'i Toliara.

Tantaran'i Taolagnaro

Toerana manan-tantara i Taolagnaro, na dia somary mitoka-monina aza. Ara-tantara, nitoeran'ireo eropeana tao tamin'ny taonjato faha-XVII. Koa satria misy seranantsambo mampifandray amin'ny any ivelany ao an-toerana, nataon'ireo vahiny foibe ara-barotra mihitsy tao, ho fahatsiarovana an'i Louis XIV. Tamin'ny taona 1643 no napetrak'ireo frantsay ny anarana hoe "Fort-Dauphin". Maromaro araka izany ireo toeram-pizahantany nolovaina tamin'ireo mpanjanaka.

Tsy voatery mandeha lavitra vao mahita toerana manan-tantara ao Taolanaro. Hita ao Bazar-Be, ao amin'ny faritry ny Camp militaire akaikin'ny Lapan'ny Fitsarana, ny "Musée Fort-Flacourt". Mitahiry fitaovana sy tantara sarobidy mikasika ny vanim-potoan'ny fanjanahantany ny ao an-toerana. Ahitana fampirantiana mikasika ny kolontsaina sy ny fianana andavan'andron'ireo Antanosy sy Antandroy ihany koa ao.


Copyright Image : © Moov

Harena voajanahary ao Taolagnaro

Toerana mbola voaaro tokoa i Taolagnaro. Maintso mavana ny ankamaroan'izay topazan'ny maso, sady mitandro ny tontolo iainana sy ny fahadiovana ny mponina ao an-toerana. Raha mpankafy natiora, dia ny zava-maniry sy ny biby ary ny rano miavaka, tsy ho diso fanantenana raha misafidy an'i Taolagnaro.

Jardin botanique de Saïadi

30 minitra monja miala ny renivohitr'i Taolagnaro no misy io zaridaina mahafinaritra io. Ahitana karazam-biby maro ao, toy ny gidro, ny voay ary ny karazam-borona sy lolo tsy voatanisa. Amin'ny maha-zaridaina azy, misy karazan-kazo sy voninkazo voakolokolo tokoa ao an-toerana : palmiers, orchidées, fougères, bambous, sns.

Parc national Andohahela

Somary lavitra ny Parc Andohahela satria any amin'ny 40 kilometatra miala ny renivohitra no misy azy, any amin'ny lalana mankany Amboasary Atsimo. Toerana arovana tafiditra ao anatin'ny harena manerantanin'ny UNESCO izy io. Miavaka raha samy miavaka satria misy tendrombohitra lehibe miisa 5, mihoatra ny 1 500 metatra ny hahavony. Misy alala ihany koa ao an-toerana, izay onenana karazam-biby arovana, ka anisan'izany ny haihay (lémurien) kely indrindra izay tsy mivoaka raha tsy amin'ny alina.

Réserve Naturelle Nahampoana

7 kilometatra miala ny renivohitr'i Taolagnaro no misy ny Réserve de Nahampona. Ny fananany Piscine naturelle no tena mampiavaka azy. Misy ala Bambou ihany koa ao an-toerana, izay itoerana biby arovana isan-karazany.
Raha te hanararoatra hilomano sy haka sary, tsara raha manokana fotoana hitsidihana ny Baie de Sainte Luce, Baie de Lokaro sy ny Cascade de Manantanely. Mbola mahaliana ireo tia rano ihany koa ny Lac Vinanibe, Lac Anony sy ny Lac Ampanihy.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires