Festival Caméléon 2025 : Fanandratana ny harena voajanahary sy ny kolontsain'ny faritra Anôsy sy Androy
Manomboka androany zoma 13 jona ny Festival Caméléon andiany voalohany, ao Amboasary Atsimo. Maharitra 3 andro ny hetsika, izany hoe hatramin'ny alahady 15 jona.
Ny haintany sy ny asan-dahalo no mby ao an-tsaina voalohany raha vao miresaka ny faritra Atsimo. Manana harena tsy hita pesipesenina nefa ny toerana maro nefa na ny ao Toliara, na ny ao Taolanaro, na ny ao Amboasary Atsimo na ny ao Ambovombe. Tosika ho an'ny fampandrosoana an'Anôsy sy Androy izany izao hetsika goavana izao.
Fiarovana ireo harena voajanahary
Manana toeram-pizahantany voaaro maromaro ny faritra Anôsy. Raha ny ao Amboasary Atsimo manokana, tsy iray sy roa ny faritra voaaro, izay iveloman'ny biby ahiana ho lany tamingana, ka anisan'izany ny Tanalahy (Caméléon), ny sifaka, ny bibilava, ny voay, sns. Mandritra ity hetsika ity, hisy ny fitsidihana ireo toerana arovana ireo, ka anisan'izany ny Réserve naturelle Berenty sy ny Lac Anony.
Somary mbola vitsy ireo mpizahatany na mpiala sasatra misafidy ny ho any Amboasary Atsimo, ka izao hetsika izao indrindra no entina hampahafantarana ireo toerana miavaka, mahaliana, mendrika ho tsidihina sady tsy mena mitaha amin'ny any ivelany.
Fifanakalozana kolontsaina
Nomen-danja nandritra ny "Carnaval" na diabe fanokafana ny Festival Caméléon 2025 ny fitafy sy fandihy nentim-paharazana. Naneho ny endrik'ireo biby na zava-maniry misy any Atsimo ireo mpandray anjara, mba handefasana hafatra ny amin'ny tokony hiarovana azy ireny. Nahatalanjona ihany koa ny fihetsiketsehana nataon'ny foko tsirairay : Bara (Amboasary Atsimo), Antanosy (Taolanaro) sy Antandroy (Ambovombe Androy).
Nentina namakivaky ny tanàna ihany koa ny Omby, biby manankasina amin'ireo foko rehetra Mandray anjara. Amin'ny ankapobeny mantsy, ny isan'ny omby no mariky ny harena fa tsy ny trano na fiara na endrika ivelany. Tsy mahazo vady ihany koa ny lehilahy raha tsy manolotra omby amin'ireo ray aman-drenin-drazazavavy.
Fampiraisana ny mponin'Anôsy
Vory lanona ao Amboasary Atsimo ireo avy any Toliara, Taolanaro sy Ambovombe Androy. Na dia samy manana ny kolontsainy tokoa aza izy ireo, entina hanamafisana ny firaisankina izao Festival Caméléon 2025 izao.
Tontosa ny maraina teo ny hazakazaka lavitr'ezaka, 35 km, ho an'ny fanatanjahantena natao hifaninanan'olon-tokana. Tsy adino ny "course lakana". Misy ihany koa ny fanatanjahantena iombonana, dia ny baolina kitra sy ny basikety. Anasana ny rehetra ihany koa ny famelabelaran-kevitra isankarazany mikasika ny tontolo iainana sy ny harena an-tanety sy anaty rano.
Ny ONG Caméléon Madagascar moa no mikarakara ny hetsika. Mpanohana izany ny Yas Madagascar.
