Aretina mamany lava : Vehivavy miisa 10 no nisitraka fandidiana tao amin’ny CHU Fianarantsoa
Any Fianarantsoa no anamarihana ny andro eran-tany ho famongorana ny aretina mamany lava, amin’ity taona ity. Raha tsiahivina dia isaky ny 23 mey no anamarihana ity andro ity, fotoana izay anatanterahana fanentanana sy hetsika maro samy hafa, mba ho fisorohana ny aretina sy ho fanarenana ireo vehivavy voany.
Fihetsehan-jaza ela loatra
Raha tsiahivina dia vokatry ny fahasarotan’ny fihetsehan-jaza ny aretina mamany lava. Mitarika faharovitana ao amin’ny lalan-jaza ny fijanonan’ilay zaza ela loatra ao, izay lasa mahatonga ny fivalanan-drano, na ny diky, hikoriana ho azy any amin’ny fivaviana.
Antony maro no mahatonga io fihetsehan-jaza ela loatra io, araka ny fanazavan-dRakotonanahary Viviane, tomponandraikitry ny serasera sy ny fahasalamana ifotony eo anivon’ny fitaleavana misahana ny fahasalaman’ny fianakaviana, ao amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voalohany amin’izany ny fiterahana aloha loatra, alohan’ny faha-18 taona, satria mbola tsy matoy ny lalan-jaza. Mety hahatonga izany koa anefa ny fiterahana tara loatra, aorian’ny faha-35 taona. Tafiditra ao anatin’ireo antony mampitombo ny risika mety hahatonga ny aretina mamany lava ihany koa ny fiterahana mifanesy loatra, izany hoe : latsaky ny 2 taona ny elanelan'ny zaza roa ateraka, ary ny fiterahana maro loatra, izany hoe : mihoatra ny zaza 4. Amin’ny ankapobeny dia ireo vehivavy sahirana, tratran’ny tsifanjariantsakafo, tsy nahita fianarana firy, sy monina amin’ny toerana lavitry ny tobim-pahasalamana no tratran’ny aretina mamany lava.
Fiantraikany ratsy maro
Tombanana ho miisa 50.000 ny vehivavy tratran’ny aretina mamany lava eto Madagasikara ary 2.000 hatramin’ny 4 000 isa isan-taona ny trangan’aretina vaovao. Azo sorohina tsara anefa ny 90%-n’ireo tranga ireo, hoy ny dr Hakizimana Sadoscar, manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana eo anivon’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA). Nazavainy ihany koa, fa maro dia maro ireo fiantraikany ratsy entin’ity aretina ity. Eo amin’ny ara-batana, ohatra, dia irika idiran’ny aretina hafa ny fisian’ny maloto mikoriana any amin’ny tsy tokony handehanany. Eo amin’ny ara-tsaina indray, dia zary miaina fanilikilihana ireo vehivavy, noho ny fofona ateraky ny aretina, ary maro no ilaozam-bady sy ihatakatahan’ny havana sy ny fiarahamonina. Tsy vitsy ihany koa ireo tsy afaka miasa, ka zary miteraka fahantrana izany.

Hetsika fandidiana faobe
Mba hampihenana ny isan’ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava eto Madagasikara, dia manatanteraka hetsika faobe fandidiana ireo vehivavy tratran’ny aretina ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka, ankoatra ny fandidiana efa fanao andavanandro. Ho fanamarihana ny andro eran-tany, dia efa nisy ny hetsika fandidiana maimaim-poana, izay natomboka teto Antananarivo, tao amin’ny Pavillon Sainte Fleur. Nanomboka ny 19 mey hatramin’ny 31 mey 2025 kosa, dia any amin’ny CHU Tambohobe Fianarantsoa no anatanterahana ny fandidiana. Vehivavy 25 no heverina hisitraka izany, ka hatreto dia 22 izy ireo no efa nanatona ny hôpitaly ary ny 10 tamin’ireo no efa voadidy. Hitohy any amin’ny CHRR Amboanato Taolagnaro ny hetsika fandidiana, amin’ny volana jolay ary ao amin’ny CHU Tanambao Antsiranana, amin’ny volana ôktôbra.
Marihina fa rehefa ao anaty hetsika fandidiana faobe toy izao, dia maimaim-poana ny fandidiana sy ny fanafody ilain’ny marary. Iantohana maimaim-poana ihany koa ny saran-dalan'ny marary sy ny mpiandry marary iray, ary ny sakafon’izy ireo eny amin'ny hopitaly mandritra ny 21 andro. Ankoatra izay dia tolorana « kit de dignité » izy ireo, izay ahitana kojakoja samihafa ilainy ao amin’ny hôpitaly sy azony ampiasaina aorian’ny fandidiana. Ho an’ny fandidiana fanao mahazatra kosa dia ny fandidiana sy ny fanafody no maimaim-poana. Ivelan’ireo dia misy ny fandraisana an-tanana ara-tsaina, izay manampy ny fanarenana ireo vehivavy sitrana sy ho famerenana azy ireo eo anivon’ny fiarahamonina. Ny ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina no miandraikitra izany. Omena fiofanana arak’asa ihany koa izy ireo mba hahafahany manana fahaleovan-tena ara-bola, izay iarahana miasa amin’ny ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa.