• Cours de change
  • 5105.98 AR
  • |
  • $4526.76 AR
Copyright Image : © Green Magazine
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fanamboarana « déodorant » tsy manimba hoditra vita ao an-trano

21/05/2025 16:44 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra manelingelina sy mamenatra tokoa ny fofon-katsembohana, indrindra ny fofon-kelika. Matetika tsy ampy ny fisasana helika tsara fa mila mampiasa « déodorant » mba hisorohana ny fofon-kelika. Ho an’ireo maniry hampiasa « déodorant » natoraly sy tsy manimba hoditra ary dia atoro eto ny fomba fanamboarana izany ao an-trano.

Ireo akora ampiasaina raha hanamboatra « déodorant » natoraly

-Diloilo coco mivaingana 3 sotro fihinanana ;
-Karibonetra 2 sotro fihinanana ;
-Fécule de maïs 2 sotro fihinanana ;
-Huile essentielle citron, lavande na menthe poivrée 10 mitete.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Atsonika amin’ny alalan’ny « bain-marie » ny diloilo coco. Ny diloilo moa sady miady amin’ny fofona ratsy no miaro ny hoditra tsy ho makiana.
Afangaro anaty lovia jobo ny karibonetra sy ny fécule de maïs. Ny karibonetra ihany koa dia miady amin’ny fofon-katsembohana ary ny ny fécule de maïs dia mitroka hamandoana.
Arotsaka ao anatin’ilay lovia jobo misy ny karibonetra sy fécule de maïs ilay diloilo coco efa natsonika teo. Afangaro mandrapahazoana fangaro mitambatra tsara. Alefa ao ihany koa ny huile essentielle ary afangaro tsara indray.
Afindra anatin’ny « bocal » tavoahangy madio sy maina tsara ny « déodorant » natoraly. Avela hangatsiaka amin’ny toerana mangatsitsiaka na ampidirina anaty vata fampangatsiahana mba hivaingana.

Lire la suite

Articles Similaires