Famonoana an'i Raissa : Anisan'ireo voarohirohy ny renibeny
Anisan'ireo nosamborina ny reniben'i Raissa (renin'ny dadany) sy ny zanaky ny mpiray tampo amin'ny rainy (cousin). Voalaza mantsy fa voarohirohy amin'izao raharaha famonoana an'i Raissa izao izy ireo.
Mahaliana olona maro tokoa ny mikasika ny vono olona feno habibiana nihatra tamina zazavavikely 8 taona, teny Antohomadinika 67ha, ny faran'ny herinandro teo.
Fandevenana
Androany alarobia 14 may ny fandevenana ny nofo mangatsiakan'i Raissa. Nandalo manoloana ny Fitsarana Anosy ireo fiara nitondra ny razana sy ireo mpandevina, nitaky ny hamoahana ny marina. Araka ny nambaran'ireo tompon'andraikitra omaly mantsy, androany tolakandro ny fotoana hitsarana ireo voarohirohy. "Justice pour Raissa", izany no soratra tazana tamin'ireo sora-baventy nentin'ireo nanao fitakiana. Nanohana izany fitakiana izany ihany koa ireo fianakavian'i Tricha, zazavavy 17 taona nisy namono teny 67 ha.
Fanadihadihana
Olona roa, izay samy havana tena akaiky, no voasambotra hatreto. Araka ny fanadihadihana lalina natao, nisy olona nampiahiahy tokoa teny amin'ny manodidina andro vitsy talohan'ny nitrangan'ny tranga vono olona. Nisy lehilahy mpianaka mampiahiahy mantsy nivahiny tao amin'ny reniben'i Raissa. Nolazaina fa fianakaviana izy ireo kanefa ilay ramatoabe ihany no mahafantatra azy ireo. Rehefa nohadihadihana dia voalaza fa Mpikaroka Vatosoa any Ankazobe. Tsy hita izy mianaka ireo rehefa nanomboka teo amin'ny tsy nahitana an'i Raissa.
Heverina fa valifaty, amin'ny mety tsy fankasitrahan'ilay rafozana ny renin'i Raissa, no anton'ny famonoana. Manahy ihany koa ny fianakaviana fa mety natao sorona i Raissa, satria mety nila rà latsaka ireo mpitrandraka vatosoa ireo.
Andrasana ny valin'ny fitsarana sy ny tohin'ny fanadihadihana. Misy olona maro miandry ny valim-pitsarana moa, manoloana ny Lapan'ny Fitsarana Anosy.