Bevohoka be rora na manao « hypersalivation », ireo tsara fantatra
Isan’ireo toe-javatra matetika fahita mandritra ny fitondrana vohoka ny hoe manao « hypersalivation » na lasa be rora ny bevohoka. Ny fikorontanan’ny hormonina ao amin’ny vatany no mahatonga izany. Na dia tsy atahorana eo amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza àry izy io dia mety manelingelina sy tsy mampahazo aina ny bevohoka. Inona ary ny fomba atao hisorohana sy hampisinda ny « hypersalivation » eo amin’ny bevohoka ?
Inona no atao hoe « hypersalivation » eo amin’ny bevohoka ?
Ny « hypersalivation » dia ny famokaran’ny « glandes salivaires » ny bevohoka rora be loatra. Amin’ny ankapobeny dia mandritra ny fiandohan’ny fitondrana vohoka, eo amin’ny 3 sy 4 volana voalohany no mitranga izany. Mahatsapa toy ny misy rano miangona be ao am-bava foana ilay bevohoka ka lasa mila mandrora na mamafa vava matetika. Anisan’ny fomba fisehon’ny « hypersalivation » mandritra ny fitondrana vohoka ny hoe :
-Mamokatra rora avo roa heny ny mahazatra ny « glandes salivaires » (mety tonga hatramin’ny 2 litatra isan’andro) ;
-Mihamatevina ny lela ;
-Mivonto ny takolaka vokatry ny fitombon’ny haben’ny « glandes salivaires ».
Ny anton’ny fitombon’ny famokarana rora rehefa bevohoka
Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony mahatonga ny famokarana rora be loatra eo amin’ny bevohoka. Fantatra kosa nefa fa mandray anjara lehibe amin’io toe-javatra io ny fikorontanan’ny hormonina mandritra ny fitondrana vohoka. Heverina ihany koa fa mety mandrisika ny « hypersalivation » ireo « malaises de grossesse », toy ny mandoa, maloiloy, « reflux gastrique »… Noho izany dia ireo bevohoka mandoa sy maloiloy matetika no tena voakasiky ity famokarana rora be loatra ity.
Ireo vahaolana manampy hampitoniana ny « hypersalivation »
Mbola tsy misy hatreto fitsaboana manokana ahafahana manala na mampisinda ny « hypersalivation » mandritra ny fitondrana vohoka. Misy ihany nefa ireo torohevitra natoraly afaka manampy mba hampitoniana azy io :
-Fadiana ny mihinana sakafo matavy sy matsiro be loatra ;
-Tsy atao be am-bilia ny sakafo ary sakafo maivana no hoanina ;
-Ferana ny fihinana sakafo be « amidon » toy ny ovy, vary… Ahena ihany koe ny sakafo be lafarina sy ireo vokatra avy amin’ny ronono ;
-Mihinana sakamalaho mba hamerana ny « hyperacidité gastrique » ;
-Misotro rano tsara mba tsy ho « déshydratée » ;
-Mitsako siligaoma ary mihinana vatomamy tsy misy siramamy mba hampihena ny famokarana rora.
-Manantona mpitsabo raha toa ka tsapa fa tena be loatra ny rora vokarin’ny « glandes salivaires » na raha tena manelingelina be loatra ilay « hypersalivation ».