Fomba fanaovana « yaourt à boire » ao an-trano
Anisan’ireo vokatra azo avy amin’ny ronono ankafizin’ny ankizy sy ny lehibe ary afaka amboarina tsara ao an-trano ny « yaourt à boire ». Azo hanin’ny mpianakavy ao an-tokantrano na azo varotana atao fitadiavam-bola moa izy ity. Araho eto àry ny fomba tsotra fanaovana « yaourt à boire ».
Ireo zavatra ilaina raha hanao « yaourt à boire »
-Ronono velona na ronono amin’ny baoritra 1,5l ;
-Yaourt 1 (tsara kokoa raha tsy yaourt maison fa ireny yaourt parfumé ireny) ;
-Siramamy ;
-Colorant alimentaire izay tiana (tsy voatery).
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
-Ampangotrahana ny ronono velona ary tatavanina amin’ny passoire rehefa masaka mba hiala ny herotra. Raha ronono amin’ny baoritra no ampiasaina dia tsy ampangotrahana fa hafanaina fotsiny.
-Avela hangatsiaka ka rehefa manomboka zakan’ny tanana ny hafanana, tokony manodidina ny 40°C eo ho eo, dia arotsaka ny yaourt parfumé. Aroharoana tsara.
-Rehefa izy mbola mafana iny dia araraka anaty « pot à yaourt ». Alahatra anaty vilany na koveta lehibe dia avy eo saromana bodofotsy.Avela hipetraka ao mandritra ny adiny 5 ora.
-Rehefa vita ny yaourt dia arotsaka miaraka ao anaty koveta izy rehetra. Avy eo ampiana rano matimaty efa nampangotrahana 1 litatra na 0,5 litatra, miankina amin’ny arihatra hitiavana ny yaourt à boire.
-Arotsaka ao manarak’izay ny siramamy sy ny colorant alimentaire. Rehefa vita izay dia arotsaka ao anaty « mixeur » ary avela hifangaro ao. Mety mila arotsaka tsikelikely fa tsy zakan’ny « mixeur » indray mandeha.
Fanamarihana
Raha toa ka lasa somary nangatsiaka ilay ronono nasiana yaourt talohan’ny nandrotsahana azy tao anaty « pot à yaourt » dia asiana rano mafana aloha ao anatin’ny vilany na ny koveta izay vao apetraka ao ireo « pots à yaourt ».
Azo ampiana tsiro amin’ny alalan’ny voankazo nopotserina, toy ny frezy, manga, paiso, ... ihany koa ao anatin’ny yaourt alohan’ny hampidirana azy anaty « mixeur ».