• Cours de change
  • 5040.3 AR
  • |
  • $4482.31 AR
Copyright Image : © Csi
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolikoly : Manamafy ny fiaraha-miasany ny CSI, BIANCO ary ny ARAI

28/04/2025 13:34 © Moov

Manamafy ny firaisan-kinany ireo rafitra miisa telo miady amin’ny kolikoly (SAC) eto Madagasikara dia ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly (BIANCO) sy ny Sampandraharaha misahana ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny tsy ara-dalana (ARAI). Nihaona teny Andohatapenaka androany ny avy amin’ny CSI sy ireo Tale Jeneralin’ireo rafitra roa hafa, namariparitana ny tokony ho fiaraha-miasa maharitra.

Fiaraha-mientana ho fahombiazan’ny asa

Tsy vitan’olon-tokana ny ady amin’ny kolikoly fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Eto Madagasikara dia efa samy manana ny andraikiny amin’izany avokoa ireo rafitra miisa telo ao anatin’ny SAC ireo saingy mifameno izany. Izany indrindra no hanamafisan’izy ireo ny fiaraha-miasany ka anton’izao fihaonana izao. Mbola goavana ny fanamby mila atrehin’i Madagasikara amin’io sehatra io ka niara-nitady fomba hampiharana ny Paikadim-pirenena vaovao izy ireo. Manana tanjona lehibe io paikady io dia ny fikatsahana ny haha-nosy hanjakan’ny fahitsiana an’i Madagasikara ka tsy ho sakana amin’ny fampandrosoana lovainjafy intsony ny tambajotran’ny kolikoly sy ny tsimatimanota amin’ny taona 2030.
Raha tsiahivina dia laharana faha-140 amin’ny firenena 180 i Madagasikara amin’ity taona ity, ao anatin’ny Indice de perception de la corruption (IPC) 2024, navoakan’ny Transparency International ny volana febroary lasa teo. Izany hoe, mbola alavitra ny lalana ka ilaina ny fiaraha-miasa.

Tanjona 2030

Laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny Praiminisitra ny volana janoary lasa teo. Mifantoka amin’ny fanatsaharana ny tsimatimanota ny tanjona ho amin’ny taona 2030. Tsy maintsy mahazo ny sazy mendrika azy ireo ny tsirairay raha ny fanamarihana. Manampy izany ny fampiroboroboana ny fiaraha-miombon'antoka maro, fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny ady amin'ny kolikoly ary ny fampiroboroboana ny fifampitokisana eo amin’ny sehatra sy ny olona rehetra.
Araka izany, nahafahan’ny telo tonta nanamafy ny fahavononany hiara hiasa hampajakana ny fahitsiana sy ny fanjakana tsara tantana ary ny ady amin’ny kolikoly ny fihaonana.

Lire la suite

Articles Similaires