Fandrobana sy fanolanana teny 67ha : Nodimandry ny zanaka vavin'i Fandrama
Namoy ny zanany vavy, 17 taona, ny mpanakanto Fandrama, fanta-daza amin'ny Mozika Salegy. Niharan'ny herisetra nataon'ireo mpandroba io tovovavy io, omaly, teny 67ha.
"Tsy ho vita moramora ny famonoana ny zanakay tamin'ny fomba feno habibina, nafatotra, naolana, tapaka ny tanany…", hoy ireo fianakaviana, an-dranomaso.
Fandrobana sy herisetra
17 taona i Tricha, ary manomana ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Sendra irery tao an-trano izy omaly alahady. Tsikaritry ny havany ihany fa tsy namaly antso tamin'ny finday intsony, ka nojeren'izy ireo. Ny havana voalohany niditra dia tsy nahatsikaritra na inona na inona tao an-trano, satria tsy nandeha tany amin'ilay efitra nisy ny razana. Rehefa tonga ny anadahin-dreniny vao nahita ny razana, ary niezaka niantso dokotera. Tsy niakanjo intsony ny vatana mangatsiaka hita nivalampatra tamin'ny tany, ary nahitana rà. Nanambara ny mpitsabo fa efa ora 4 na 5 no nahafatesan'i Tricha.
Vokatry ny tsy fandriam-pahalemana izao tranga izao. Nilaza moa ireo manodidina fa tsy nahatsikaritra olona mampiahiahy nivezivezy. Na izany aza, efa natomboka omaly ihany ny fanadihadihana rehetra.