• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Arbiochem : Orinasa malagasy voalohany mpamokatra sakafon-trondro

29/01/2025 16:05 © Moov

Rehefa avy nandalo ireo andrana ara-teknika rehetra dia vonona ny orinasa Arbiochem amin’ny famokarana sakafon-trondro. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity anio ity io orinasa eny Ambohimangakely io. Tonga nanome voninahitra izany fotoana lehibe izany ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert.

Hatramin’ny 257 000 taonina ny filàna

Fihariana manomboka miroborobo sy hampiroboroboana eto Madagasikara ity sehatry ny jono sy ny fiompiana trondro ity. Tanjon’i Madagasikara ny hampiakatra ny fanjifan’ny malagasy hazan-dranomasina ; izy ireto izay mitondra otrikaina betsaka. Mba ho fanatrarana izay tanjona izay dia isan’ny ezaka ny fampivoarana ny fiompiana trondro. Izany indrindra no maha-zavadehibe ity orinasa malagasy ity satria hatramin’ny 257 000 taonina isan-taona ny sakafon-trondro ilaina. Hatramin’izay anefa dia nafarana hatrany ireo ary lafo vidy. Vokatr’izany dia tsizarizary ny fiompiana trondro. Hamahana izay olana izay ny antom-pisian’ny Arbiochem. « Hamokatra sakafon-trondro 10 000 taonina isan-taona eo ho eo ny orinasa ary hanampy betsaka amin’ny fampihenana ny fanafarana izany. Sakafon-trondro karpa sy tilapia amin'ny refiny 3mm ka hatramin'ny 4mm izay tsara kalitao ary amin'ny vidiny mirary no ho vokarina », hoy i Rivo Andriamanalina, Filoha tale Jeneralin’ny Arbiochem. Tanjon’ny orinasa ny hampihenana hatramin'ny 10% ny vokatra hafarana avy any ivelany izay mbola tena lafo.

Orinasa reharehan’i Madagasikara

Raha hanatratra io tanjona amin’ny sehatry ny jono io dia ahena ny fanafarana. « Reharehantsika ny fisian'ity orinasa ity satria Malagasy avokoa na ireo mpiasa na ny tompony izany hoe manome asa ho an'ireo tsy an'asa eto Madagasikara. Indrindra tafiditra tanteraka anatin'ny resaka transformation agricole amin'ny sehatry ny fihariana anaty rano », raha ny nambaran’ny Minisitra. Aman-jatony ny mpandraharaha mila ny vokatra ka hanafaka amin’ny fahasahiranana isan-karazany, hampihena ny mason-karena ihany koa. Ny hirariana dia hanenika an'i Madagasikara manontolo ny orinasa Arbiochem, hoy ny Minisitra. Anisan'ny mandray anjara feno amin'ny fampiodinana ny harikarena eto Madagasikara mantsy izy io.

Lire la suite

Articles Similaires