• Cours de change
  • 5190.13 AR
  • |
  • $4424.43 AR
Copyright Image : © Bôndy
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Toerana hatramin’ny 1 075 hektara hovolena honko ao amin’ny faritra Sofia

28/01/2025 14:44 © Moov

Amin’ny alalan’ny tetikasa Ma Honko an’ny Société Bondy Internationale dia mivelatra ny fambolena ity karazana hazo ity. Tanjon’izy ireo, ho an’ny faritra Sofia dia ny hamboly honko amina velaran-tany mirefy 1 075 hektara. Nanatanteraka fakan-kevitra tany an-toerana izy ireo hanatrarana izany tanjona izany.

Fiaraha-miasa maharitra

Manana anjara toerana lehibe amin'ny fiarovana ny zavamananaina sy ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro, ary manohana ny fiveloman'ny vondrom-piarahamonina eny amorontsiraka ny ala honko. Na izany aza, ireo tontolo iainana manankarena sy sarobidy ireo dia tandindomin-doza noho ny asan'ny olombelona, entin'ny tsy fahampian'ny safidy ara-toekarena. Ireo mponina any an-toerana, ihany koa, noho ny tsy fahampian’ny loharanon-karena, dia mitrandraka ny ala honko mba hikarohany ny filàna fototra ho azy ireo, toy ny sakafo. Araka izany, ilaina ny fiaraha-miasa amin’izy ireo mba hampaharitra ny ala honko indray. Izany no anton’ny fakan-kevitra tany an-toerana. Ankoatra izay dia nahitana ireo solontena avy ao amin'ny Office Nationale de l’Environnement (ONE), ny Minisiteran’ny tontolo iainana (MEDD), ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga (MPEB), ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MDAT) ary ireo Ben'ny Tanàna voakasika io fihaonana io.

Faritra miisa telo

Ankoatra ny faritra Sofia dia ezaka ho tratrarin’ny tetikasa Ma Honko ihany koa ny hamboly honko amin’ny velaran-tany 40 000 hektara. Mivelatra ao anatin’ny faritra miisa telo izany ; misy an’i Melaky, Diana ary Sofia. Averina amin'ny laoniny ny ala honko amin'ny fambolen-kazo misy karazany enina miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana. Ankoatra izay dia mba hiantohana ny faharetan’ny ala dia manamora ny fidirana amin'ny akora fototra mety ilain’ny mponina andavan’andro izy ireo. Manohana ny mponina ara-tsosialy sy ara-toekarena toy ny jono, ny asa tanana ary ny fizahan-tany ihany koa araka izany ny Bôndy. Ny tetikasa noho izany dia manampy ny fiaraha-monina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ary ny fiahiana ny fivelomana maharitra ho an’ny olona rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires