Fanabeazana mampiaty : Mikaro-bahaolana havitan’ireo ankizy manana fahasembanana ny fianarany hatramin’ny farany ny ao Toamasina
Mikaon-doha ary mitady vahaolana ho amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana mampiaty ny avy ao amin’ny Humanité et Inclusion (HI), ny CEFTAR ary ny tetikasa TAFA. Tanterahina ao Toamasina izany amin’ny alalan’ny tetikasa MANONGA an’ny HI. Hetsika natao mifanindra-dalana indrindra amin’ny andro maneran-tany ho an’ny fanabeazana.
Tombony manokana ho an’ny faritra Atsinanana
Isan’ireo faritra mbola ahitana tranga fanavakavahana ireo ankizy manana fahasembanana ao amin’ny faritra Atsinanana. Zava-dehibe ho azy ireo araka izany ity fikaroham-bahaolana ity. Tanjon’izany moa ny hahafahan’ireo karazana olona ireo mamita ny fianarany hatramin’ny farany. Tsara ny manamarika fa zon’ny ankizy rehetra ny mianatra ary isan’ny zo tokony sitrahiny ihany koa ny havitana izany hatramin’ny farany. Nandray anjara feno tamin'ny adihevitra hitadiavam-bahaolana ny avy eo anivon'ny fiadidiana ny Faritra izay notarihin'i Rafidison Willy, Tale misahana ny Lafitany sy ny Fitantanana Ankapobeny. Voalaza nandritra izany fa mitondra ainga vao eo amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ity fikaonan-doha ity ; mamaly ihany koa ny andry telo napetraky ny Filoham-pirenena, ao anatin’izany ny fijerevana ny maha olona sy ny fiainany ankapobeny.
Fampiroboroboana ny ankizivavy
Isan’ny hahazo tombony betsaka kokoa amin’ity fikaonan-doha ity ny ankizivavy manana fahasembanana. Ireo farany ireo, indrindra fa aty amin'ny firenena mahantra toa an'i Madagasikara, dia tena mora iharan'ny fandaozana sekoly noho ny fanavakavahana, ny fitsipika mifandray amin'ny maha-lahy na maha-vavy, ny fahasahiranana ara-bola ary ny mety ho herisetra mifototra amin'ny miralenta. « Na dia eo aza anefa ny sakana sy ny tsy fahampian'ny fanohanana, dia azo atao ny manova io zava-misy io amin'ny alàlan'ny fanovana ny fomba fijery momba ny fahasembanana, amin'ny alalan'ny fananganana tontolo ara-panabeazana mampiaty sy miaro ny ankizivavy », hoy ny HI tao amin’ny pejiny. Azo atao ny manome azy ireo fahafahana mianatra sy manorina hoavy tsy ahitana fanilikilihana ny ankizivavy na dia iray aza ; amin'ny alalan'ny fanohanana ireo fianakaviany sy ny fiaraha-monina misy azy. Manentana ny mba hahafahana miantoka fanabeazana mitovy sy feno ho an’ny rehetra, tsy misy ankanavaka ihany koa, ny HI, amin’izao andro maneran-tany izao.