Fahasalamana : Nihena 25.2% ny tahan’ny zaza teraka noho ny fampiasana fandrindram-piterahana
Nahitana fahombiazana ny hetsika fanentanana lehibe momba ny fampiasana fandrindrana fiainam-pianakaviana. Araka ny tatitry ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, omaly, dia nahitana fihenana hatramin’ny 25.2% ny tahan’ny zaza teraka teny anivon’ireo tobim-pahasalamana, ny taona 2024.
Hanatsarana fiainan-tokantrano
Raha tsiahivina dia isan’ny tanjona tamin’ny fampiasana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ny hampihena ny isan’ny zaza hateraka. Natao izany mba hanatsarana ny fiainan’ny tokantrano iray. Hampihena kokoa ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny amin’ny famelomana sy ny fikarakarana ny zanany mantsy raha vitsy kokoa ny isan’ireto farany. Izany dia afaka hampiakatra ny hari-karena faobe eo amin’ny Malagasy. Raha ny fanamarihana tamin’io tatitra io dia azo lazaina ho tsara ny vokatra. « Mihoatra ny vinavina raha tsy nisy mihitsy ny ezaka natao handrindrana ny fiterahana io vokatra tsara io », raha ny voalaza tamin’io tatitra io. Teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ity asa ity. Ireo ezaka ireo dia manamafy ny fahavononan’ny Fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana ireo fitaovana handrindrana fiterahana ireo. Io vokatra io moa dia nandray anjara lehibe tamin'ny fampihenana ny fiterahana.
Niampy 1 193 133 ireo mpampiasa fitaovana
Isan’ny nanampy tamin’ny fanatrarana io tanjona io ny fitombon’ny olona mampiasa ireny fitaovana ireny. Niampy 1 193 133 ireo olona vaovao manao fandrindram-piterahana tamin’iny taona 2024 iny. Nihoatra ihany koa ny tanjona napetraka izay 1 000 000 ihany koa io isa io. Raha ny tatitra hatrany dia tafiakatra 65,5 % ny tahan'ny fampiasana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana tamin’iny taona iny. Niisa 4 192 095 ny isan'ireo vehivavy mampiasa tsy tapaka ny fomba fandrindrana fiainam-pianakaviana raha 3 800 000 no tanjona napetraka. Ireo fiakaran’ny salan’isa sy isa rehetra ireo dia azo hilazana fa manomboka liana amin’ny fitandroana ny fahasalamany ny tokantrano tsirairay amin’izao fotoana izao. Miroso tsikelikely amin’ny fanentanana ny fampiasana ny fandrindram-piterahana ho an’ny daholobe ny fanjakana amin’izao.