Fampianarana ambony : Hiompana amin’ny fanajana ny soatoavina ny fanatsarana heverina
Tanterahina ao Mantasoa, androany 23 sy rahampitso 24 janoary ny fikaonan-doha nasionaly entina hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony. Hisesy mandritra izany ireo soatoavina sy tsara ho fantatra rehetra ka hitondra amin’izany fanatsarana izany. Ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Profesora Chaminah Loulla, no mitarika azy.
Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra
Mitana anjara toerana lehibe indrindra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ny mpisehatra ; izany hoe ireo handray anjara mivantana amin’ny fampianarana. Isan’ny ho voaresaka araka izany ny fanamafisam-pahalalana ireo mpisehatra ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fampahafantarana na fanamafisana ny fahalalana momba ny soatoavina tokony hampiharina eny. Eo ihany koa ny fitondran-tena sy ny etika ary ny deontôlôjia entina manatanteraka ny asa. Tsara ny manamarika fa izy ireo no hamolavola ny tanora ho avin’ny firenena ka rariny raha izy ireo mihitsy no tokony mendrika voalohany. Ankoatra izay anefa, isan’ny lahadinika ny fomba fitantanana eny anivon'ny Oniversite sy ny famaritana ny andraikitry ny tsirairay. Hojerena ihany koa ny fepetra ara-tsiansa amin'ny fampitoviana ny lanjan'ny ny diplaoma "Doctorat" sy "Habilitation à Diriger des Recherches".
Mpandray anjara voasafidy
Fanamby goavana apetraky ny fitondram-panjakana amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fanatsarana sy fampiakarana ny lentan'ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Izany no nisafidianana ireo mpandray anjara amin’ny atrikasa mba ho stratejika izany. Hita ao avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampianarana ambony, ny vondron’ny Profesora eto Madagasikara, ireo Filohan'ny Oniversite manerana ny nosy, ireo Tale Jeneralin’ny IST, ireo Filoha mpisolo toeran’ireo Oniversite manakaiky vahoaka ary ny mpikambana avy ao amin’ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra (SECES). Mialoha ity atrik’asa ity moa dia efa natao ny fakan-kevitra tamin'ireo mpisehatra rehetra ireo, ary niara-niaiky ny rehetra fa nihen-danja ny kalitaon'ny fampianarana. Noho izany, kendrena ny hitondrana vahaolana sy handraisana ny hevitry ny maro manoloana io fidinan'ny kalitaon'ny fampianarana io. Aorian'ny atrik’asa dia hisy ny fehin-kevitra hivoaka.