Kolontsaina : Tapitra ny asan’ny vaomiera siantifika roa tonta momba ny famerenana ny Kabeson’ny Mpanjaka Toera
Miroso ny asa famerenana ny Kabeson’ny Mpanjaka Toera. Manam-pinoana ny fiverenan’izany ny Malagasy. Vita omaly ny asan’ny vaomiera siantifika malagasy sy frantsay, niady hevitra mikasika izany. Natolotra ny Minisitra ny tatitra farany novolavolain’izy ireo.
Andrasana ny fanapahan-kevitra frantsay
Dingana tsy maintsy narahina mialohan’ny hanolorana io tatitra io eo anatrehan’ny filan-kevi-panjakana frantsay ny ady hevitra ara-tsiantsifika. Aorian’izao moa dia hanolotra ny dika mitovy ity tatitra ity any amin'ny minisitry ny Kolontsaina frantsay, ihany koa ny vaomiera frantsay. « Io filakevi-pitantanana frantsay io no handray ny fanapahan-kevitra farany miainga amin'ny tatitra nataon’ny komity. Andrasana amin’ny volana ambony io araka izany ny hevitra farany izay horaisin’izy ireo », hoy ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Fetra Rakotondrasoava. Raha tsiahivina dia nanomboka tamin’ny volana oktobra 2024, ny fifampidinihana, raha nandeha tany Paris ny delegasiona malagasy. Naharitra telo volana izany ary fihaonana efatra no nahafahana nampitaha hevitra, antontan-taratasy, sary ary arisiva, tamin’ny fiaraha-miasan’ny tranombakoka frantsay, ny Akademia Malagasy, ny minisitera roa tonta ary ny oniversite
Vaomiera siantifika
Niombonan’ny Malagasy sy Frantsay io vaomiera io ary niandraikitra ny fanadihadiana lalina momba ny tantara sy ny fiavian’ireo vakoka ireo no nimasoany nandritra izany. Ny mpikambana tao anatin’ny komity dia nahitana mpahay tantara, mpikaroka, solontenan’ny fianakaviana, ary mpisolovava amin’ny sehatra diplaomatika. Nanao fifanakalozana ara-kevitra sy ara-tahiry izy ireo mba hahazoana antontan-kevitra mazava sy feno. Araka ny fanazavan’ny Sekretera Jeneraly Rakotondrasoava, dia nampiasaina ny tahiry ara-tantara sy ara-kolontsaina avy amin’ny fanjakana roa tonta. Nandrafitra tatitra mazava sy mirindra ny komity mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra mazava sy mifanaraka amin’ny lalàna sy ny kolontsaina. Ity tatitra farany ity araka izany dia vokatry ny fiaraha-miasa ary heverina hitondra vokatra lehibe, indrindra ho an’ny Madagasikara.