• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Météo Madagascar
Image
Vaovao

Toetr’andro : Mivory eto Madagasikara ireo manam-pahaizana eo anivon’ny SADC

23/01/2025 14:30 © Moov.Mg

Hotanterahina eto amintsika ny 28 hatramin’ny 30 janoary 2025 ny SARCOF-30, na ny atrikasa faha-30 momba ny vinavinan’ny tonon-taonan’ireo firenena aty atsimon’i Afrika, izay mivondrona ao anatin’ny SADC. Mialoha izany anefa dia mampiantrano ny fivorian’ireo manam-pahaizana momba ny toetr’andro taona 2025 i Madagasikara, nanomboka ny 21 ka hatramin'ny 27 janoary 2025.

Firenena marefo

Samy marefo, eo anatrehan’ny fiovan’ny toetr’andro avokoa, ireo firenena 16 isa mandrafitra ny Fikambanam-pampandrosoan'ny Faritra Atsimon'i Afrika (SADC). Mianjady amin’ireo firenena ireo, indrindra indrindra, ny hain-tany miverimberina sy maharitra, ka miantraika amin’ny fanjariantsakafo, ny famokarana angovo sy ny fahazoana rano azo antoka izany. Tsy afa-bela amin’ireo voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro ireo i Madagasikara, izay mandray ny fivorian’ireo manam-pahaizana momba ny toetr’andro 2025, amin’izao fotoana izao, eny Ankorondrano Antananarivo.

Voalohany isika no mandray izany fivorian’ireo manam-pahaizana momba ny toetr’andro izany, ka voasolo tena avokoa ireo firenena 16 mivondrona ao anatin’ny SADC. Tanjona lehibe amin’izany ny hamolavolana sy hanavaozana ny vinavinan'ny taom-pahavaratra 2025 ho an’ny faritra atsimon’i Afrika iray manontolo.

Fanamafisana fahaiza-manao

Nanatrika ity fotoam-pivoriana ity ireo mpikambana ao amin’ny Sekretaria Jeneralin’ny SADC. Ny Tale Jeneralin'ny Foibe Famantarana ny Toetrandro, Randriamarolaza Luc Yannick Andréas kosa no nanokatra amin’ny fomba ofisialy ny fotoana. Zava-dehibe ity fihaonana ity, araka ny nambarany, tsy ho an’i Madagasikara ihany fa ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ny SADC. Araka izany, mandritra ity fihaonam-be ity no hanamafisana ny fahaiza-manaon'ny rehetra ; hifampizarana traikefa ary hamolavolana paikady iraisana amin'ny vinavina sy ny fampifanarahana ny toetr’andro.

Hozaraina mandritra ny “SARCOF-30” ny vokatra azo avy amin'ity fihaonana ity, izay azo inoana fa afaka hanampy ny sehatra rehetra amin'ny fandraisana andraikitra sy fiomanana mialoha. « Fenointsika ny elanelana misy eo amin’ny fanairana mialoha ato anatin’ny faritra SADC » no lohahevitra voizina mandritra ity SARCOF-30 ity. Ny Tahiry Eoropeanina ho an’ny Fampandrosoana andiany faha-11 (11e FED) no mamatsy vola ity atrikasa.

Lire la suite

Articles Similaires