LFI 2025 : Apetraka ny fomba fiasa vaovao hampahomby ny famoaham-bolam-panjakana
Ambany ny tahan'ny famoahana sy fampiasam-bolam-panjakana tamin’ny taona 2024, araka ny voalaza nandritra ny filàn-kevitry ny Minisitra notontosaina omaly 22 janoary 2025 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Noho izany dia tapaka fa hametraka fomba fiasa vaovao ny Fitondram-panajakana ho fanatsarana izany.
Mifototra amin’ny andry 3
Araka ny fampitana am-bava nankatoavin’ny Filàn-kevitry ny Minisitra omaly, dia tany amin’ny 41,1% ny tahan’ny famoahana sy fampiasam-bola (taux de décaissement et d’engagement) ho an’ny famatsiam-bola avy any ivelany ary 66,1% ho an’ny famatsiam-bola anatiny, tamin’ny telovolana faha-4 ho an’ny taona 2024. Ambany izany taha izany, na dia efa nampiharina nanomboka ny taona 2023 aza ny torolalana momba ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana.
Raha tsiahivina dia nafototra tamin’ny andry telo lehibe ny taona 2024, izay taona nanombohan’ny fotoam-paisana faharoan’ny filoham-pirenena, dia ny andry amin’ny maha-olona, ny andry ho an’ny indostria ary ny andry ho an’ny fitantanana.
Kolontsaina mila vokatra
Ho an’ity taona 2025 ity, dia vinan’ny fitondram-panjakana ny fitomboana ara-toekarena 5%. Himasoana ihany koa ny fampitomboana ny fotodrafitrasa. Mba hahafahana manatanteraka izany, dia nanapa-kevitra ny hametraka fomba fiasa vaovao ny Filàn-kevitry ny minisitra, mba hampitomboana ny famoaham-bola (décaissement) alohan’ny 31 marsa.
Manomboka androany 23 janoary 2025, noho izany, ny atrikasa fampivondronana ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, mba handrindrana izany fomba fiasa vaovao izany sy handinika ny fampiasana ireo fitaovana manaraka ny fenitra. Tafiditra ao anatin’ny fomba fiasa hapetraka manomboka androany ny fanatsarana ny fitantanana, ka hamoraina ireo dingana arahina ao anatin’ny fomba fiasa ; hatao mazava kokoa ireo andraikitra, ary hapetraka ny fifampiresahana maharitra. Hisy ihany koa ny fanohanana ara-teknika manokana ho an'ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, hiarahana amin’ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Ankoatra izay dia hapetraka ny « kolontsaina mila vokatra », ka horaiketina sy ho arahi-maso amin’ny fomba hentitra ireo fe-potoana nomena, izay efa nofaritana mialoha.
Tsiahivina fa sehatra laharam-pahamehana ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2025 (LFI 2025) ny fam¬bolena, ny angovo azo havaozina ary ny fotodrafitrasa.