• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Fandriam-pahalemana : Hanamafy ny fiarahamiasany ny polisy sy ny vahoaka ao amin’ny boriborintany fahenina

17/01/2025 10:38 © Moov

Hamafisina ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto Antananarivo. Izany indrindra no nisian’ny fifanakalozan-kevitra sy dinika teo amin’ny solon-tenan’ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka sy ireo solon-tenam-panjakana eny ifotony ary ny olom-boafidy tao amin’ny Boriborintany fahenina, omaly.

Famahana ny olana ara-tsosialy

Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana, dia ny fanamafisana sy fametrahana ny fandriam-pahalemana ho an’ny vahoaka eny ifotony, ary mifanaraka amin’ny teny filamatry ny Polisimpirenena « Miaro sy Manampy ny Vahoaka » ity fihaonana ity. Niompana tamin’ny famahana ny olana ara-tsosialy isan-karazany ny fifampidinihana. Tao anatin’izany ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana isan-karazany. Ity olana ity izay saika ahitana tranga hatrany eny amin’iny boriborintany iny. Ao anatin’izany ny hala-botry, ny fanafihana mitam-piadiana sy ireo maro hafa. Noresahina ihany koa anefa ny ny ady amin’ny fiparitahana sy fidorohana zava-mahadomelina, ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na mahavavy, ary ny ady amin’ny kolikoly. Ireo olana ireo izay manohintohina ny fiainan’ny mponina ka ho fongorina tsikelikely.

Fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona ifotony

Tsy natao ho an’ny mpitandro filaminana irery ihany ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra an-tanàn-dehibe. Isan’ny manana anjara andraikitra amin’izany ny vondron’olona ifotony na ireo mponina isam-pokontany. Nilaza ny fahavononany amin’ity fiaraha-miasa ity ireo vondron’olona ifotony, solon-tenan’ny mponina satria adidy hiraisana izany. Tetsy ankilany dia tonga nanome voninahitra ity fihaonana ity ny Talen’ny Fikarohana sy Fiofanana Mitohy eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny Commissaire Divisionnaire de Police Rasoamananjara Pierrette Marie Françoise. Nanome toky ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eny anivon’ny fokontany izy ny amin'ny fahavononan’ny Polisimpirenena amin’ny fiaraha-miasa hanatratrarana ny tanjona.

Lire la suite

Articles Similaires