• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Famatsiana : Misitraka herinaratra avy amin’ny masoandro ny CHU Tanambao -Toliara

16/01/2025 16:01 © Moov

Toy ireo toeram-pitsaboana samihafa efa mahazo herinaratra dia nahazo ny anjarany ihany koa ny Centre Hospitalier Universitaire Tanambao Toliara, manomboka izao. Tonga nanatrika ny fandraisana vonjimaika izany fotodrafitrasa izany ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Toliara, ny solontenan’ny PNUD ary ireo solontena avy amin’ny Ministeran'ny Fahasalamana eto Toliara.

Angovo azo havaozina

Mba hanalefahana ny fampiasana solika mavesatra sy ireo karazana angovo lafo vidy dia noraisina manokana ny fanapahan-kevitra ho an’ity CHU ao Toliara ity. Amin’ny maha-toerana mafana sy misy masoandro ny ao amin’ny tapany atsimo ao dia ny angovo azo havaozina ; izany hoe ny herinaratra avy amin’ny masoandro no hamatsiana azy. Manana tanjaka 68 KWc ity fotodrafitrasa vaovao ity, izay tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto amintsika. Nandritra ny andrana teknika natao dia hita fa tomombana tsara avokoa ireo fitaovana rehetra. Tsara ny manamarika fa aretina isan-karazany, miantoka ain’olona no ilaina herinaratra amin’ireny hôpitaly rehetra ireny. Izao asa notanterahina izao, raha ny fanazavan’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo dia anisan’ny ezaka fampisitrahana herinaratra ireo Distrika rehetra manerana ny Nosy.

Vahaolana ara-tsosialy

Tanjon'ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Ministeran'ny Angovo sy Akoranafo (MEH) ny hampisitraka angovo madio ho an'ny Tobim-pahasalamana rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny CHU, CHRD ary ny CSB ihany koa. Mitondra tombony mivantana ho an’ny mponina ihany koa moa ny fisitrahana azy ireny. « Faly sy ravo ireo olona misitraka mivantana izao fotodrafitrasa izao. Mamaly tanteraka ny filàn’izy ireo, satria mampandeha tsy tapaka ny herinaratra amin’ny fanatanterahana ny asan’ izy ireo, ohatra amin’ny fandidiana ireo marary”, hoy ny nambaran'ny Tale eo anivon'ny Hopitaly. Tsara ny manamarika fa tetikasa hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny LEAD izay hiarahana amin'ny ny Banky Iraisam-pirenena itony asa itony. Ho ampiasaina amin’izany avokoa ny karazana angovo hahafahana mamoaka herinaratra.

Lire la suite

Articles Similaires