Antananarivo : Arovana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano ireo toerana amin’ny faritra iva
Tsy afa-miala amin’ny fiakaran’ny rano hatrany ny faritra iva eto Antananarivo rehefa fotoan’ny orana. Isan’izany ny eny Andravoahangy, Besarety, Anosibe, Namontana sy ireo toerana maro hafa. Nanatanteraka fanadiovana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra niaraka tamin’ny Société Municipale d’Assainissement ary ny BNGRC.
Andravoahangy
Isan’ny tena olana goavana hatrehin’ireo mponina eny Andravoahangy, sy ireo mpivarotra sy mpitady vola eny an-toerana io fiakaran'ny rano io. Miseho hatrany io olana io na dia tsy misy oram-be aza, matetika. Isan’ny nandanian’ireo tompon’andraikitra fotoana betsaka ny fanadiovana teny an-toerana. Vahaolana naroso ny fanadiovana ireo tatatra any anaty elakela-trano mba handehanan’ny rano araka ny tokony ho izy. « Esorina ireo fako manentsina ny tatatra. Amin’izao fotoana izao efa tena hita mandeha ny rano. Tavoahangy plastika, harona plasika, baoritra ary tapa-kazo no tena mameno ny tatatra ary efa ho roa fiarabe no nesorina. Efa hita mivaingana ny fivahan’ny olana », hoy Alexandre Georget, Filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanàna. Raha tsiahivina dia ny orinasa SMA no miandraikitra ny fitaterana ny fako ; etsy ankilany kosa dia ny HIMO no paikady entina hanatanterahana ny asa.
Mandroso ny asa amin’ny toerana hafa
Nanao tatitra ny asa fanadiovana tamin’ny toerana hafa ihany koa ny CUA ary nomarihin’izy ireo tamin’izany fa mandroso ny asa fanadiovana rehetra. Efa mahatratra hatramin’ny 70% ny eny Namontana. Mahatratra 60% avokoa ny eny amin’ny Paraky Tsy Lefy, Ambohibarikely, ary Ampandrana Besarety. Efa 50% ny eny Andavamamba Ambilanibe ary 40% ny eny amin’ny Buse Mainty sy Ampefiloha. Nahavita fitanterana ireo fako in-12 miverina ny SMA, ankoatra ny 5 hafa ho an'ny fitanterana ny fanotorana, tao anatin’izany asa izany. Etsy ankilany dia voalaza fa vita tanteraka ny fanadiovana ny lalana mankany Anosibe, ny lalana mankany Ampefiloha, ary eny amin'ny faritra manodidina ny fantsona Alliance Française Andavamamba. Nanamarika moa ny APIPA fa tsy nisy natahorana ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo, na dia nisy aza ireny orana isan’andro ireny.