Androm-pirenena ho an'ny kabary : Mpikabary 189 isa no notolorana ny mariboninahitry ny kanto
Harem-bakoka mampiavaka an’i Madagasikara ny kabary, ary neken’ny rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa (UNESCO) ho haren-tsain’ny zanak’olombelona. Nomarihina omaly 15 janoary ny Androm-pirenena ho an'ny kabary ho an’ny taona 2025.
Harem-bakoka
Teny amin’ny Havoria Anosy no nankalazana ny Androm-pirenena ho an'ny kabary tamin'ity taona ity. Telo taona izao no nanamarihana ity andro natao hanomezam-boninahitra ny kabary ity, taorian’ny nanambarana tamin’ny fomba manetriketrika ny nahatafiditra ny kabary malagasy ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (patrimoine culturel immatériel de l’humanité) eo anivon’ny UNESCO.
Tsy afa-misaraka amin'ny fiarahamonina malagasy ny kabary, noho izy mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny lafiny kolontsaina sy fomba amam-panao, na an-kasoavana na an-karatsiana. Araka izany, manana ny maha-izy azy ao anatin’ny fiarahamonina ihany koa ireo mpikabary. Niisa 189 izy ireo, omaly, no notoloran'ny Fitondram-panjakana malagasy, tamin'ny alalan'ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Izany dia mba ho fankasitrahana azy ireo amin'ny fanandratana ny kolontsaina malagasy amin'ny alalan'ny fiangalian’izy ireo ny kabary. Ny 12 tamin’izy ireo no nasondrotra tamin'ny laharam-boninahitra « Commandeur de l'Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture » ; 39 mianadahy notolorana ny « Officier de l'Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture » ; ary 138 mianadahy nahazo ny « Chevalier de l'Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture ».
Fanandratana ny kolontsaina
Sady fankasitrahana ny zava-bitan'ireo Mpikabary izao fanolorana mariboninahitra nomena azy ireo izao no famporisihana azy ireo hilofo hatrany amin’ny fampiainana sy fanandratana ny kabary malagasy, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, nandritra ny lahateniny. Hivadika ho hery handrisika ireo mpikolo ny kabary sy mpanandratra ny kolontsaina malagasy kosa izao mari-boninahitra natolotra azy ireo izao, hoy ny fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FIMPIMA), izay nitondra fankasitrahana ho an’ny ministera mpiahy, ny vaomieram-pirenena Malagasy ho an'ny UNESCO ary ny Akademia Malagasy.
Isan’ny nanatrika ity lanonana fankalazana ny Androm-pirenena ho an'ny kabary 2025 ity ny Sekretera Jeneralin'ny vaomieram-pirenena malagasy ho an'ny UNESCO.