Etazonia : Mitohy ny fahamaizana any Los Angeles
Omaly alahady 12 janoary, maherin'ny 20 ireo olona maty, araka ny tatitry ny France 24. Efa an-tapitrisany maro ireo traboina voatery nafindra toerana noho ny fahamaizan'ny tranon'izy ireo.
Ny fiovaovan'ny toetr'andro no tena nahatonga ny fahamaizana tany Los Angeles, nanomboka ny talata 7 janoary lasa teo. Nisy ny haintany goavana sy ny rivotra mahery. Noho izany indrindra, mbola ahiana hitohy ny fahamaizana na dia manao izay ho afany aza ireo mpamonjy voina.
Fahamaizana sarotra fehezina
Mafy loatra ny rivotra "Santa Ana" ka izany indrindra no mahasarotra ny famonoana ny afo. Tsy vitan'izany fa mamay ny rivotra satria avy any amin'ny "désert des Mojaves". 100 hatramin'ny 1600 km/h ny fitsokan'izany rivotra izany. Efa maherin'ny 16 000 hektara izao ny faritra may. Tanàna maromaro no iasan'ny mpamonjy voina, ka nomena anarana ireo foiben'ny afo, anisan'izany ny "Hurst", "Lidia", "Sunset", "Woodley" sy "Olivas".
Anisan'ireo namoy ny tranony i Laeticia Hallyday, tao Pacific Palisades. Levona avokoa moa ny fananany tao an-toerana araka ny nambarany. Maro ireo olo-malaza efa nanambara fa may trano, toa an'i Adam Brody, Mark Hamill sy Paris Hilton.
Fitohizan'ny afo
Nahemotra ireo fanodinana horonantsary sy fety isan-karazany an'ireo trano famokarana sarimihetsika lehibe ao Hollywood. Heverina fa misy fiantraikany lehibe amin'ny fandraharahana ao Etazonia izao afo be izao. Tapaka ihany koa ny asa fivelomana satria ny avotr'aina izao no vaindohan-draharaha.
Ny orana no andrasana hampitony ny afo. Mbola kely nefa ny fanantenana satria fiafaran'ny ririnina izao any an-toerana. Mahasarotra ny asan'ny mpamonjy voina ny tsy fahampian'ny rano, ka voatery mampiasa rano avy amin'ireo kamiao lehibe mpitatitra rano amin'ny famonoana ny afo. Marihana moa fa ny "Santa Ana" dia rivotra mafana sady maina, izay efa mpitranga any amin'ny faritra atsimon'i Californie isaky ny fiafaran'ny ririnina, hidirana amin'ny fararano.