Fiatrehana ny fahavaratra : Haharitra 15 andro ny asa fanadiovana ny dobo fivarinan-drano Marais Masay
Nanomboka androany ny asa fanadiovana ny dobo fivarinan-drano Marais Masay. Hiarahan’ny Koaminina Antananarivo Renivohitra sy ny APIPA manao izany. Haharitra 15 andro ny fanadiovana io 5 ha io, hahafahana miatrika ny fahavaratra.
Hanamorana ny fivoahan’ny rano
Hiaraha-mahalala fa miteraka fiakaran’ny rano hatrany ny fahatsetseman’ny lakan-drano sy ny fahafenoan’ny toerana fitobian’ny rano maloto. Isan’izany io eo amin’i Marais Masay io izay feno tsikafona ka manano sarotra ny fitehirizana rano eo an-toerana. Izany indrindra no anton’ity asa fanadiovana ity. Tsentsin'ny tsikafona mantsy ireo vavarano eny amin'ny « bassin sud Marais Masay » izay andehanan'ny rano avy any Andravoahangy, Besarety ary Mahavoky. Miteraka fiakaran'ny rano izany indrindra rehefa avy ny orana ka noraisina izao fanapahan-kevitra izao. Tonga teny an-toerana ny Filohan’ny Delegasiona ny tanànan’Antananarivo, Alexandre Georget, nijery ny fiantomboan'ny asa androany maraina ary nanamafy fa hanaraka ny fizotran'ny asa isan'andro ny tenany. Ankoatra ny CUA sy ny APIPA dia eo ihany koa ny Société Municipale d'Assainissement (SMA) mba hanalana ireo tsikafona.
Fitaovana teknolojika
Fitaovana maro toy ny "pelle mécanique", "camion benne", lakana no ampiasaina mandritra io asa io. Ireo no entina hanalana ireo tsikafona ka mitondra izany eny an-tanety. Etsy ankilany, ny fiarabe an’ny SMA kosa no manatitra ny fako eny Andralanitra. Ahetsika avokoa ireo fitaovana ireo mba hahafahana manafaingana ny asa, hoy ny fanazavana, satria tafiditra tanteraka anatin’ny fotoam-pahavaratra i Antananarivo amin’izao fotoana izao. Misy ihany koa ny HIMO izay handraisan’olona miisa 50 eo ho eo anjara teny an-toerana. Izy ireo kosa no hanosika sy hitaona ireo tsikafona ho ao anaty fiarabe. Mbola nanamafy ny fanentanana hatrany ny PDS ny amin’ny fikajiana ny fahadiovana mba hialana amin’ireo olana miverina isaky ny fotoan’ny orana toy izao.