Rivodoza Dikeledi : Hahakasika ny tapany avaratra sy andrefan'ny Nosy ny sabotsy 11 janoary
Efa nanomboka omaly no nahazo orana ny any amin'ny faritra Avaratra sy Andrefan'i Madagasikara, noho ny fisian'ilay rivodoza Dikeledi. Hitombo hery hatrany io rivodoza io, ary hahakasika ny Nosy ny sabotsy ho avy izao.
Hanakorontana ny toetry ny andro any amin'ny faritra avaratra sy avaratr'atsinanana iny ny rahona sy rivotra entin'ilay andro ratsy manomboka ny Zoma alina na Sabotsy maraina. Efa misy aza moa ny orana, indrindra any amin'ny faritr'i Nosy-Be sy ny manodidina.
Filazana momba ny rivodoza # 9 janoary tamin’ny 10 ora maraina
Nitombo hery ka lasa rivodoza ary nomena ny anarana hoe DIKELEDI ilay andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indiana. Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny 1509 Km atsinanan’i Antalaha no nisy ny foibeny. 75 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 105 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana hatrany izy ka nahafaka 31 Km/ora.
Tombanana hiditra an-tanety any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy i DIKELEDI ny Sabotsy tolakandro na ny alina, eo anelanelan’ny Antsiranana sy Antalaha. Mety ho Cyclone Tropical na Rivodoza mahery izy amin’izay fotoana izay (130 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy).
Fiomanana sy fitandremana
Hatreto aloha, faritra maitso avokoa ny tapany avaratra sy andrefan'i Madagasikara, izany hoe ny faritra Diana, Sava, Ambatosoa, Sofia ary Boeny. Ho voakasika araka izany i Antsiranana, Sambava, Antalaha, Vohémar, Nosy-Be sy Mahajanga ary ireo faritra manodidina. Mila mitandrina dieny izao ireo mponina amin'ireo toerana ireo, ho fisorohana ny loza. Amporisihana ny fanamafisana ny trano honenenana. Raha mipetraka amin'ny faritra iva sy mora tondraka moa dia amporisihina hiakatra amin'ny toerana avo sy azo antoka.
Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Vatomandry mba ho tafaverina an-tanety ny Zoma hariva ary tsy hiandriaka intsony mandrapahalasan’ny loza. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.