E-fokontany : Hisitraka karinem-pokontany misy « code QR » ny tokantrano rehetra mialohan’ny 26 jona 2025
Taonan’ny asa ny taona 2025. Nanamafy izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra omaly. Voalaza nandritra izany fa heverina hisitraka ny karinem-pokontany misy « code QR » avokoa ny tokantrano rehetra mialohan’ny fetim-pirenena 2025.
Tokan-trano miisa 5 817 968
Zava-dehibe ny fananana ity karinem-pokontany vaovao ity ary nanamarika ny Filoham-pirenena fa tokony hanana izany avokoa ny isan-tokantrano. Efa nanomboka efa ela ny fizarana izany ary amin’izao fotoana izao dia miisa 1 787 340 ny karine efa voazara. Izany hoe 30.72% amin’ny tokantrano malagasy no efa nisitraka azy raha 5 817 968 no totaliben’ny tokony hahazo. Efa mizotra araka ny tokony ho izy ny fanavaozana ireo karinem-pokontany rehetra ho an’ireo ambiny ireo amin’izao fotoana izao. Raha ny vina, hoy ny Minisitra, Stéphanie Delmotte dia ho voazara mialohan’ny fetim-pirenena, ny 26 jona izao ireo kerinem-pokontany ambiny ireo. Tsara moa ny mampatsiahy fa natao hanamorana ny fikarakarana taratasy ara-panjakana sy ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina ny anton’ity karine vaovao ity.
Miisa 800 ireo miandraikitra ny fanavaozana ny karine
Hahafahana manatratra io tanjona io dia nametraka ivon-toerana manokana ny MNDPT hanatanterahana ity asa fanavaozana ny karine ity. « Opérateur de saisie » sy teknisianina miisa 875 no miara-miasa ao anatin’izany amin’izao fotoana izao. Marihina ihany koa fa mandalo dingana telo lehibe ny fanaovana ireo karine ireo. Voalohany tamin’izany ny fanisam-bahoaka isan-tokantrano, natomboka ny volana jolay 2024 ary efa nifanarana ny volana septambra lasa teo. Manaraka izany ny fampidirana ireo ao anatin’ny tahirin’antontan-kevitra (base de données). Hatramin’ny androany, dia tokantrano miisa 5.024.645 no tafiditra ao anaty tahirin’antontan-kevitra, izany hoe 86,36% an’ireo tokantrano manerana ny Nosy. Efa nanomboka ny 8 jolay 2024 ity dingana ity ary ho vita izany ny faran’ny volana febroary 2025. Farany ny fanontana ny karine izay heverina ho vita ny faran’ny volana may 2025 no ho vita. Ho zaraina manerana ny Nosy avy hatrany izany rehefa avy eo ka ny Minisiteran’ny Atitany no misahana io asa io.