• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Tsena : Hampidinina ho 750 ny kapoakan’ny vary ao anatin’ny iray volana sy tapany

09/01/2025 09:54 © Moov

Nandray fepetra hampihenana ny fahasahiranan’ny mponina ny Filoham-pirenena niaraka tamin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly. Tamin’izany no nilazana fa ho ampidinina ho 750 ny kapoakan’ny vary.

Hitsinjovana ny vahoaka

Noraisina indrindra izany fepetra izany mba hifampitsinjovana, amin’izao fotoan’ny maitso ahitra izao. Ireo vary hafarana avy any ivelany no handraisana io fepetra io ary hisy ny fiaraha-miasa amin’ny mpanafatra ka tsy hioatra io 750 ariary io ny vary. Etsy ankilany dia hisy ny fampanarahan-dalàna ny fanapariahana ny vary eto an-toerana. « Ezahina ho atao izay hahazakan’ny vahoaka ny vidin’izany vary eto izany », hoy hatrany ny Filoham-pirenena. Nanazava moa ny Minisitra fa manohy ny fanaraha-maso akaiky ny firafitry ny vidim-bary any amin’ny faritra tsirairay avy ny Minisitera mba hamoahana ny vidiny ara-drariny. Miankina amin’ny lalam-pitsinjaran’ny vary eny amin’ny tsena ihany koa, raha ny fanazavana ny maha samihafa arak’izay ny vidiny any amin’ny mpanjifa. Raha ny mahakasika ny eto Analamanga no raisina dia tsy tokony hihaotra ny 1000 ariary ny kapoakan’ny makalioka raha 1 200 ariary izany amin’izao fotoana izao.

Hampitomboana hatramin’ny 25% ny voka-bary

Ankoatra io fepetra noraisina amin’ny vidim-bary io dia isan’ny ezaka hanatrarana izany ihany koa ny fampiroboroboana ny fambolena. Nanambara ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo fa hampitomboana 25% na 1 tapitrisa taonina fanampiny ny voka-bary amin’ity taona 2025 ity. Natao laharam-pahamehana amin'ny fanatrarana izany fanamby izany ireo tantsaha amin'ny alalan'ny fizarana azy ireo hanam-pamokarana. Eo ihany koa ny famatsiana ireo tantsaha ireo fitaovana sy milina lehibe entina hanafainganana ny famokarana (mécanisation) ary ny fananganana ireo fotodrafitrasa fitahirizam-bokatra. Hanampy izany rehetra izany ihany koa ny fampiasana masomboly tsara kalitao sy ny fampidirana ny voly vary safiotra. 7 taonina hatramin’ny 10 taonina isaky ny hektara mantsy ny voka-bary azo amin'ny fampiasana ny voly vary safiotra ary velaran-tany mitotaly 22000 Ha manerana an'i Madagasikara no hambolena izany amin'ity taom-pambolem-bary 2025 ity.

Lire la suite

Articles Similaires