• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Firehetan’ny ala any Ranomafana : Olona an’arivony no nifandrimbona namono ny afo

08/01/2025 16:44 © Moov.Mg

Olona an’arivony androany no nihetsika, niara-nirohotra namono afo tany Ranomafana Distrikan’Ifanadina, Faritra Vatovavy. Nahakasika faritra arovana ny afo, tany an-toerana, araka ny fampitam-baovaon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD).

Nahakasika ala arovana

Nambaran’ny avy eo anivon’ny MEDD fa nahitana firehetana miisa roa tao Ranomafana ary samy tao anaty ala arovana avokoa izany. Tao Sahamalaotra no nahitana ny trangan’afo voalohany ary tao Amboditanimena ny faharoa. Raha ho an’ny androany 8 janoary 2025 dia efa voafehy ny afo ao Sahamalaotra ary vinavinaina ho voafehy androany ihany koa ny afo ao Amboditanimena, izay ahitana ala arovana voajanahary. Niara-nirohotra namono afo, androany, ny mponina ao Ranomafana Ifanadiana, araka ny fampitam-baovao, ka nifanome tanana tamin’ny mponina ireo mpitantana hôtely sy ireo mpisehatra eo amin’ny fizahantany, ankoatra ireo mpitandro ny filaminana sy ireo tomponandraiki-panjakana eny ifotony. Zava-dehibe izany fifanoloran-tanana izany, amin’ny maha-toerana be mpitsidika an’i Ranomafana. Olona maherin’ny 1000 isa no niara-nanatanteraka izany hetsika famonoana afo izany. Araka ny fantatra dia handeha hidina any Ranomafana ihany koa ny minisitry ny MEDD, Fontaine Max Andonirina, rahampitso alakamisy.

Mampigadra 10 taona

Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny MEDD dia tsy nahakasika atiala (noyau dur) ity trangana afo ity ary tsy voakasiky ny afo ihany koa ny faritr’ala ao Ifanadiana. Mbola tsy fantatra aloha hatreto ny velaran-tany potiky ny afo, fa aorian’ny fifehezana izany no hiroso amin’ny fanaovana ny tomban’ny faritra may sy ny fahavoazana ny Madagascar National Parks izay mpitantana ny faritra arovana. Etsy an-daniny, efa miasa ny « CCO Feux » izay iarahan'ny MEDD sy ny Birao Nasionaly Misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindon-doza (BNGRC) ary ny departemanta maro izay voakasika mivantana amin'ny ady amin'ny afo, amin’ny alalan’ny fandrindrana ny fiatrehana ny afo. Miara-miasa akaiky amin'ny eny anivon'ny Faritra ny « CCO Feux » ao anatin’izany. Tsara ny mahalala fa, araka ny andininy faha-34 vaovao ao amin’ny didy hitsivolana laharana faha-60-127 tamin’ny 03 oktobra 1960, nahitsy tamin’ny hitsivolana laharana faha-tamin'ny 22 oktobra 1975, izay mametra ny sata momba ny famakian-tany vao sy ny doro ala, dia mety hahazoana sazy an-tranomaizina 5 hatramin’ny 10 taona ny tranga rehetra momba ny afo niniana natao.

Nahitana trangana afo ihany koa tany amin’ny Faritra Anosy, ka toerana miisa 3 no nahitana izany, dia tao Andohahela, Mandena ary Manambaro. Olona miisa 3, ahiana ho tompon'antoka tamin’izany, no efa voasambotra.

Lire la suite

Articles Similaires