• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Fda
Image
Vaovao

Faritra Diana : Tantsaha miisa 200 indray nisitraka hanam-pamokarana

08/01/2025 15:29 © Moov

Tantsaha miisa 200 ao amin’ny Distrikan’Ambilobe, ao anatin’ny faritra Diana indray no nisitraka hanam-pamokarana. Miparitaka amin’ny faritra rehetra ny fampiroboroboana ny fambolena ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Fanampiana amin’ny famokarana vary

Ireo tantsaha ao amin’ny fokontany Mantaly, kaominina Ambanivohitra Mantaly no nisitraka ireto fanampiana ireto. Notsindriana manokana tamin’izany fa ireo tantsaha mpamboly vary an-drano izy ireo. Tao anatin’izany dia masomboly vary X265 milanja 1800 kg sy zezika NPK (11-22-16) milanja 3000 kg ary zezika biolojika kitana kaomposta milanja 15 000 kg no nozaraina ho azy ireo. Tanjon’izany, toy ny fizarana rehetra teo aloha dia ny hampitombo ny voka-bary. Raha amin’ny ankapobeny dia ny mba hampihenana ny fanafarana vary hatrany no vina amin’ny fanampiana ireo tantsaha. Dingana lehibe amin’izany ity fizarana hanam-pamokarana ity mba hahafahana manatratra ny fahavitan-tena ara-bary izay himasoan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Hialan’ny Malagasy amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy irosoana amin’ny fampandrosoana maharitra, lovainjafy. Tsara moa ny manamarika fa laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao ny momba ity fampiroboroboana ny fambolena vary ity.

Fiaraha-miasa stratejika

Ankoatra ny Fitondram-panjakana dia miara-miasa amin’izy ireo ihany koa ny sehatra tsy miankina amin’ny famokarana ireo hanam-pamokarana ireo. Teo ihany koa ny Fonds de Développement Agricole (FDA) sy ny tetikasa PURPA. Araka izany, niaraka nanolotra ireo masomboly sy zezika ny solontenam-panjakana eo an-toerana, ny lehiben’ny Distrikan’Ambilobe , ny Solombavambahoaka voafidy tao anatin’ny Distrika sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa dia ny DRAE DIANA sy ny FDA DIANA ary ireo mpivarotra hana-pamokarana mpiaramiasa na Boutiques Partenaires. Etsy ankilany, raha hampahafantarina dia tsy ny fambolena vary irery ihany no tohanana toy izao fa saika samy mahazo ny anjarany avokoa ny isaky ny faritra. Ireto farany izay tolorana ny fanampiana mifanaraka amin’ny fambolena mety aminy tsirairay. Eo ihany koa ny mpanjono izay mahazo tohana mifanaraka amin’izany ao anatin’ny tetikasa miasa eny amin’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires