Fiatrehana ny fahavaratra : Hiroso amin’ny fanasaziana ireo mpanary fako anaty tatatra ny Boriborintany voalohany
« Tapitra ny fanentanana sy ny fampahafantarana momba ny fikajiana ny fahadiovana. Hiroso amin’ny fanasaziana ireo manary fako anaty tatatra amin’izay atsy ho atsy », hoy i Rakotoniaina Bruno Serge, Delege ny Boriborintany voalohany. Izany no fanapahan-kevitra noraisin’ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hahafahana indrindra miatrika ny fotoam-pahavaratra.
Tsy maharaka ny fivoahan’ny rano ny fotodrafitrasa
Saika miakatra hatrany ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina rehefa milatsaka be loatra ny orana. Isan’ny antony mahatonga izany amin’ny ankapobeny ny fahatsetseman’ny lakan-drano sy ny tatatra. Efa taona maromaro izay no nisehoan’izany ary misedra olana samihafa ireo mponina ka nanomboka nanentana ny Kaominina sy ny boriborintany. Etsy ankilany anefa dia isan’ny olana ihany koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa. « Ny mponina manary fako any anaty tatatra. Ny fotodrafitrasa ihany koa anefa kely ka tsy mahazaka ny rano izay tokony hivarina amin’ireny lalany ireny. Hita mantsy fa tsy maharaka ny fivoahan’ny rano intsony ny fotodrafitrasa satria indraindray tena betsaka loatra. Araka izany, ny fotodrafitrasa efa ela ihany koa no ilaina fanavaozana », hoy hatrany ny fanazavana. Raha io fanamarihana io dia ny fanalehibeazana na fanampiana ireo tatatra ireo no vahaolana satria midina ihany ny rano saingy ela loatra ny fiasan’izany.
Fiomanana amin’ny fiakaran’ny rano
Rehefa fotoam-pahavaratra toy izao no tena ahiana io fiakaran’ny rano io ho an’Antananarivo Renivohitra. Amin’izao fotoana izao dia efa manomana sahady ny toerana manokana handraisana raha sendra misy traboina ny tompon’andraikitra misahana ny fitantanana ny loza voajanahary, eo anivon’ny Kaominina. Etsy ankilany ny asa fanadiovana dia tohizan’izy ireo hatrany ary miara-miasa amin’izany ny Kaominina sy ny SMA. Tafiditra ao anatin’izany asa rehetra izany ny fanadiovana ny tatatra izay efa mandeha amin’izao fotoana izao.