• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fanabeazana : Ny 56.9 %-n’ny zaza malagasy no voasoratra any amin’ny sekoly ambaratonga fototra

07/01/2025 16:37 © Moov.Mg

Niverina an-dakilasy nanomboka omaly alatsinainy 6 janoary 2025 ny ankamaroan’ireo mpianatra, taorian’ny fialan-tsasatry ny fetin’ny faran’ny taona. Miatrika olana anefa ny ray aman-dreny maro amin’ny fandoavana ny saram-pianarana, amin’izao taona vao miandoha izao.

Fahasahiranan’ny ray aman-dreny

Manana olana amin’ny fampianaran-janaka ny ray aman-dreny malagasy. Ny 56.9 %-n’ny ankizy ihany no voasoratra anarana any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF). Antony maro ny mahatonga io taha ambany io, toy ny tsy fananan’ny ankizy kopia mari-pahaterahana, fa antony lehibe indrindra ny fahantrana.

Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny sekoly tsy miankina iray eny Antananarivo Antsimondrano eny, ohatra, dia mbola vao ny 20% amin’ireo ray aman-dreny no nahaloa ny saram-pianaran-janany, amin’izao volana voalohany itsahina amin’ny telovolana faharoa izao. Maromaro ireo ankizy izay nitondra taratasy fialan-tsiny sy fangatahana, ny mba hahazoan’izy ireo fe-potoana handoavana ny saram-pianarana. Miezaka mandefitra ny sekoly, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, saingy tsy maintsy asiana fetrany izany, satria ny karaman’ny mpampianatra ihany koa dia tsy maintsy aloa, ankoatra ireo fandaniana hafa, toa ny volan-jiro sy rano.

Zo fototra

Mampahatsiahy ny UNICEF fa zo fototra ny fahafahan’ny ankizy mandia ny vararan-tsekoly, fa tsy tombontsoa manokana (faveur) omena azy ireo akory. Noho izany dia adidin’ny tsirairay, hoy hatrany ny UNICEF, ny manao izay ezaka rehetra azo atao, mba hahafahan’ny ankizy tsirairay mianatra.

Araka ny antontan’isa navoitran’ny UNICEF moa, amin’ny ankizy malagasy miisa 100, dia ny 15 ihany no mandia ny varavaran’ny sekoly garabola, ny 76 no miditra amin’ny sekoly ambaratonga fototra, fa ny 27 ihany no tody amin’ny ambaratonga faharoa fototra, raha 13 sisa no mahavita manohy hatramin’ny farany izany ambaratonga faharoa izany.

Lire la suite

Articles Similaires